Nampahafantarin'ny sampana miandraikitra ny litorjia ao Vatican, omaly 7 janoary, ny fandaharam-potoanan'i Papa François hatramin'ny volana febroary.

Isan'ny hisongadina amin'izany ny hitarihany ny Eokaristia Masina any BARI, tanàna any atsimo atsinanan'Italie, amin'ny alahady 23 febroary, hamaranana ilay fihaonana antsoina hoe: "Méditerranée, frontière de paix", andraisan'irei Eveka manodidina ny faritra mediteraneana anjara. Mialoha izany anefa dia hitarika ny Eokaristia Masina hahatsiarovana ny nanaovana Batemy an'i Jesoa ao amin'ny Chapelle Sixtine i Papa François, ny alahady 12 janoary izao. Hisy zaza maromaro handray ny sakramentan'ny Batemy koa amin'io fotoana io. Hitarika ny famaranana ny herinandro fiaraha-mivavaka fiombonan'ny kristianina na ny firaisam-pinoana, andiany faha-23, ao amin'ny Bazilikan'i Saint-Paul-hors-les-Murs, izy ny harivan'ny sabotsy 25 janoary izao. Ny harivan'ny sabotsy voalohan'ny volana febroary kosa no hitarihany ny Lames ao amin'ny Bazilkan'i Masindahy Piera, hahatsiarovana ny nanalorana ny Tompo tao an-tempoly sy hanamarihana ny andro manerantany ho an'ny fiainana voatokana, andiany faha-24.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...