Rehefa voahaja ireo dingana maro samihafa sy ny fomba isan-karazany mialoha sy aorian'ny fandevenana dia azo antoka ny fiovan'ny satan'ny olona maty iray ho "razana". Aorian'ny fialan'aina ho an'ny olona iray dia tsy maintsy ahirina ny masony, karakaraina ny vatany, izay tonga hatramin'ny fampandroana ny vatana mangatsiaka, fampiankajoana, ny fiandrasam-paty, ny famonosana ary ny fandevenana no mamarana azy. Ny Filofoana dia fanomezam-boninahitra ny olona maty. Ny tsentsin-doloha dia tsipaipaika ara-bola avy amin'ny mpiara-monina hiatrehana ny voina. Ny andro talata sy alakamisy dia tsy andro fandevenana ary ny ora mety dia ny aorian'ny mitatao vovonana...
♦ Tapaka tanteraka ny tady eo amin'ny fitondràna ankehitriny sy ny antoko MMM. Namafisin'Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo ny tsy hiarahan'izy ireo intsony amin'ny fitondràna nandritra ny fikaonandoham-paritra teto Analamanga... ♦ Nihamafy indray ny fahatapahan-jiro tato ho ato, noho ny olan'ny famokarana sy famatsiana herinaratra. Nilaza ny hampihena ny delestazy ety amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo ny Jirama, afahan'ny rehetra mijery ny Mondial 2022... ♦ Kendrena hanana trano fivoahana ny 90% amin'ny vahoaka malagasy amin'ny taona 2025, araka ny vina napetraka. Mbola ny 32% ihany amin'izao no mampiasa izany, araka ny tokony ho izy...
22 nôvambra — Niaina tao Rome i Masimbavy Cécile tamin'ny fanombohan'ny taonjato fahatelo. Zanak'andriana manamboninahitra nalaza tamin'ny andro nanjakan'ny amperora Alexandre Sévère izy. I Cécile irery ihany no kristianina tao amin'ny fianakaviany. Nanokan-tena ho an'Andriamanitra izy, ary nitandro ny fahadiovan'ny vatany.
Taorian'ny Batemy i Jesoa no nanomboka niseho ampahibemaso ary nanatanteraka ny nanirahan'ny Ray Azy, izany hoe nanomboka nitory ny Vaovao Mahafaly. Ny fihetsik'i Jesoa manaiky ny ataon'i Joany Batemy dia maneho ny fanetren-tena lalina izay toetra anisan'ny hampianarany antsika. Raha tsy ateraka indray amin'ny rano sy ny Fanahy Masina isika dia tsy hiditra amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.
• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco