Rahaja Tolotra: Mirary soa e!

Faly miarahaba ny Radio Don Bosco amin'izao fankalazana ny Jobily izao. Mankasitraka indrindra anareo amin'ny fanabeazana ara-pinoana voalohany indrindra, ary manaraka azy eo ny fanabeazana ny maha-olona amin'ny lafiny rehetra. Mirary soa amin'ny taona marobe mbola hifandimby e!


alakamisy 24 jona 2021
RANDRIAMANALINA Tsalama: Ancien stagiaire Media Don Bosco

Faly miarahaba ny RDB amin'izao faha-25 taona izao. Radio tena mahafinaritra ary indrindra nahitàna soa. Izaho dia "stagiaire en communication et radiodiffusion" tao amin'ny RDB. Na tsy miasa amin'ny radio aza amin'izao fotoana izao dia mampiasa ny fahalalana azo tao amin'ny RDB amin'ny asa fampiofanana ataoko sy ivelomako ankehitriny. Andiany tamin'ny taona 2001 izahay ary anisan'ny nampianatra anay tamin'izany ry Jean Claude Andrianaivo, Père Cosimo Alvati, Père Rosario... sy ireo matianina rehetra tao amin'ny RDB tamin'izany. Mbola mieritreritra tetikasa hizara traikefa amina karazana fandaharana manentana ny olona handraharaha sy hiasa tena ihany amin'izao. Mankasitraka ary ho tratry ny 25 taona manaraka e!


sabotsy 19 jona 2021
RAVELOARISON Tokiniaina Jean Yves valéri...: rdb

Miarahaba ny Radio Don Bosco nahatratra ny faha 25 taona, enga anie hitohy hatrany ny asa fampielezana ny Vaovao Mahafaly amin'ny onjam-peo, ny fanirianay mpihaino dia hatratra ny 25 taona manaraka indray ary efa te ahita TV Don Bosco, misaotra eee...!!!


talata 15 jona 2021
DIMBINIAINA Tsilavina Jules: Fanamarihana ny faha 25 taona, RDB

Mirary soa ho an'ny Radio Don Bosco, hisaorana izay efa nataonareo ary mirary 25 taona manaraka feno fahombiazana.

Ho ela velona anie ny onjam-peo, hifanantitra amin'ny vaky sy jery, hiseharan'ny Saleziana rehetra miaraka amin'ny sakaiza arak'asa.

Mirary fety sambatra e!!!


alakamisy 20 mey 2021
Powered by Phoca Guestbook

[Miara-dalana] Alatsinainy 5 jona 2023

♦ Nankatoavin'ny Papa François ny fangatahan'ny Arsevekan'Antananarivo, hitsahatra amin'ny fitantanana ny Diôsezin'Antananarivo ; ka notendren'ny Ray masina handimby azy, i Mgr Jean de Dieu Raoelison... ♦ Notontosaina omaly ny fizakana ny Seminera Zandriny Ambohipo, ary nanentana ny kristianina rehetra izy ireo, fa maro tokoa ny ezaka izay hatao amin'ny fanabeazana ireo izay ho pretra rahatrizay... ♦ Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fankalazana iombonana ny Sakramenta Masina, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, eo amin'ny Kianjan'i Masina Misely Amparibe...

Tohiny...

Tsara ny Noely, raha...

Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...