Hivaha tsy ho ela ny olan'ireo mpiantsehatra amin'ny fiompiana akoho manatody lava sy ny fakàna nofo amin'ny fahitàna ny katsaka foto-tsakafon'ny akoho ompian'izy ireo sy ny halafosany.

Ampiandrasana ny sonia fankatoavana avy amin'ny Ministra tompon'andraikitra momba ny fahafahana manafatra katsaka avy any ivelany mantsy ny ao amin'ny vovonan'ireo mpiantsehatra amin'ireo lalam-pihariana ireo na ny IPA Madagascar InterProfession Aviaire de Madagascar hamonjena ity lalam-pihariana ity. Misedra fahasahiranana goavana mantsy ankehitriny ny lalam-pihariana akoho manatody lava sy fakàna nofo. Tsy mitsahatra mitotongana tao anatin'ny taona vitsy mantsy ny fihariana ho an'ireo mpiantsehatra.

Miakatra ny mason-karenan'ny famokarana, saingy tsy mifanaraka amin'ny vidim-bokatra eny an-tsena noho ny fahefa-mividin'ny mpanjifa. Manampy trotraka ny fiakaran'ny vidin-katsaka, ankora fototra ilaina amin'ny sakafon'ny akoho ompiana. Betsaka ireo mpiompy no nanena ny akoho ompiany hatrany amin'ny 50%, ary tsy vitsy ireo niala an-daharana ka nivadika sehatr'asa hafa. Mananosarotra ny fahitana ny katsaka amin'izao fotoana izao noho ny tolotra tsy ampy. Antony nahatonga ny IPA Madagascar sy ny mpiara-miombon'antoka aminy hanafatra katsaka avy any ivelany mba ahafahan'ny lalam-pihariana miharina indray noho izay olana sedrainy izay araka ny fanazavan'ny sekretera jeneralin'ny IPA Madagascar, Mira Rakotondrandria.

[Miara-dàlana] Zoma 14 jona 2024

♦ Homarihina ny 15 sy 16 jona 2024 ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Miisa 38 ireo fankalazana mandritra ny taon-Jobilin'ny Fanavotana ny taona 2025... ♦ Mankahery ny rehetra hanao asa soa pastôraly bebe kokoa, ny Papa François, amin'ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany faha-8 ho an'ny Mahantra, amin'ny volana nôvambra 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...