Fanentanana ny olon-drehetra amin'ny fandraisana andraikitra hiaro ny zaza tsy ampy taona sy ny olona marefo manoloana ny loza mety hahazo azy ireo indrindra "ny fanolanana na herisetra ara-nofo". Manomboka amin'ny ray aman-dreny ny fanabeazana amin'ny alalan'ny fifampiresahana sy fampahafantarana azy ireo ny atao hoe herisetra, mba hahafahan'izy ireo miaro tena ary indrindra mizara amin'ny ray aman-dreny...

Zary fomba amam-panaoantsika amin'izao fotoana izao, na lehibe na tanora na ankizy ny tsy mahay miaina sy tsy mahay mitia. Mamono ankoloka na mivantana ny fampitondrana kitra ny mpiara-belona. Ny fametahana anaram-bositra dia fampitondrana kitra

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...