Ny toetsaina mifaninana mifampitaha dia efa nisy hatramin'izay ary nivoatra tsikelikaly. Ny fifaninana dia efa voajanahary mba hahafahana mandroso amin'ny dingam-piainana tsara kokoa. Amin'ny maha olombelona antsika dia nampiasa saina isika mba hafahantsika mandalina kokoa ny mikasika ny fifaninanana sy ny fifampitahana. Misy olona enefa tsy afaka ny hifaninana sy hifampitaha noho ny tsy fitovian'ny niaingana (ara-batana, fananana, fanabeazana, sehatra iainana...). Ny toe-tsaina mifaninana sy mifampitaha dia tsy azo hirobohana tsy ampy fiheverana fa mila fandanjalànjana fepetra maromaro, tokony olona mitovitovy no mifaninana amin'ny lafin-javatra maro.

Miainga amintsika tsirairay ny afahana mampandroso an'i Madagasika, amin'ny lafiny ara-pahasalamana momba ny vatana, ara-po izany hoe fitiavana, ara-tsaina ary ny ara-panahy satria ireo no isan'ny fototra maha olona. Tokony hanana fahazarana ny olona rehetra hanao ireo manaraka ireto : famantarana ny tombony sy ny hery ao aminy, ny leseko tokony harenina, ny zavatra hafa fanararaotra ary ny sakana tsy afahana mandroso. Raha ireo no fantatra dia azo antoka ny handrosoan'ny firenena. 

Ny vehivavy avy niteraka ka tsy mahatana ny amany, izay tokony hivoaka amin'ny lalany ara-boajanahary fa lasa manaraka ny lalan-jaza no tiana holazaina amin'ny hoe "aretina mamany lava". Miteraka fofona io aretina io rehefa tsy voatsabo, ary iharan'ny fanilikiliana eny anivon'ny fiaraha-monina ny vehivavy tratran'io tsy fahasalamana io. Ny antony mety mahatonga azy dia ny fahateren'ny hoditry ny lalan-jaza sy ny tatavy na ny tsinaibe noho ny faharetan'ny fotoana fiterahana ka misy faharovitana ireo taova ireo. Mba hisorohana izany dia tokony ho maoty ny vehivavy vao miatrika ny fitondrana vohoka sy fiterahana.

Fanontaniana tsy maintsy hapetraka ity fanontaniana ity mba hanehoana ny fitiavana ny tanindrazana dia ny hoe : Inona ny anjara biriky azoko hatolotra ho fanasoavana an'i Madagasikara?. Tsy tokony hifanome tsiny na hifampiandry ny hafa isika mba hampandrosoana ny firenentsika. Ny fahombiazan'ny tsirairay no tonga ho fahombiazan'ny firenena iombonantsika. Ny fahasalamana no voalohan-karena ka raha salama ny tsirairay dia afaka hamokatra ho azy sy ny firenena, izay anjara biriky kely ihany.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...