Ny Sakramenta fito : ny Batemy, ny Eokaristiana ary ny fankaherezana izay atao hoe sakramenta hirosoana ho kristiana ; fampihavanana sy ny fanosorana ny marary izay hatao hoe sakramenta fanasitranana ; filaharana sy ny fanambadiana izay hatao hoe sakramenta fanirihana na firotsahana, fampitomboan'isa ny zanak'Andriamanitra. Mizara roa lehibe ny Sakramenta : ny sakramentan'ny maty dia ny Batemy sy ny fampihavanana ; ny Sakramentan'ny velona dia ireo sakramenta ambiny. Ny Sakramentan'ny Eokaristia no faratampony amin'ny Sakramenta fito...

Ny Sakramenta fito dia tandinona na "symbole" na "mysterium" ary famantarana araka ny voalazan'ny katesizy. Ny ao amin'ny Sakramenta dia Andriamanitra ary Izy irery ihany no afaka miasa ao amin'ireo Sakramenta ireo. Ny Sakramenta dia tsy miankina velively amin'ny fahamasinan'ny olona fa miankina amin'Andriamanitra, mifamatotra amin'ny finoan'ny mpanome sy ny mpandray. Natao iainana ny Sakramenta ka na iza na iza nandray an'ireo dia tokony haneho izany eny amin'ny fiaraha-monina, maneho ny maha kristiana. Ny sakramentaly dia famantarana toy ny sary, isan'ireny ihany koa ny Voady, famehezan-tena...

Mankahala ny fahotana ny Andriamanitsika fa tia ny mpanota ary maniry ny hibebahany. "Izaho koa tsy manameloka anao, mandehana ka aza manota intsony" jn 8, 11. Ny taona 2024 dia miavaka satria voatokana ho an'ny taonan'ny vavaka ary mampita antsika ho an'ny amin'ny Jaobily lehibe faha-2025 nahatongavan'ny Zanak'Andriamanitra teto an-tany. Ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka no nahatongavany ; ny olona rehetra samy tiany ahazo anjara amin'ny fanavotana nentiny. Ny Eglizy katôlika dia tsy mitso-drano ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana, satria tsy misy ao amin'ny foto-pampianaran'ny Eglizy izany no sady tsy nolazain'ny Papa. Ny famindram-po sy ny tsy fanilihana no mibaiko ny Eglizy hitso-drano ny zanany...

Zavatra roa samy hafa ny "Mazistera" sy ny "teôlôjia" anefa mifameno : iry voalohany fampianarana avoakan'ny Papa sy ny Eveka mikasika ny fitondrana ny vahoakan'Andriamanitra ; ny teôlôjia kosa dia fandalinana sy fianarana momba an'Andriamanitra sy ny finoana, fanadihadiana mifototra amin'ny fiekem-pinoana. Ny Eveka tsirairay no manana ny andraikitra maha mety ny hanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Fiangonana amin'ny alalan'ny Papa Ray Masina mba hifanaraka amin'ny fomban-tany iray. Ny fampianaran'ny Fiangonana dia mitandro hatrany ny fiarovana ny aina...

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...