1 mey 2024 — Alarobia, Herinandro fahadimy Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)

Vao tamin’ny alahady isika no nandalina ity tenin’Andriamanitra ity ka miverina indray izy izao. Tsara mantsy ny manantitrantitra, araka ny fitenintsika. Ny tapany voalohany tamin’iny fa ho jerentsika izao ny tohiny. Te hahazo vokatra matoa mamboly ka eto izao andrasana amintsika, isika mamoa na koa hoe manome voany. Fa ho esorina ka tapahana rehefa tsy mamoa mba hampamoa ny sampana hafa efa mamoa. Marihina fa tsy kapaina eto ny fototra fa ny sampana izay tsy mamoa ihany. Ny fototra mantsy efa azo antoka dia Izy Kristy ka ny anjarantsika sisa. Aoka hanome voany isika satria voloboka no andrasana amintsika. Fa mila fandrantsanana na efa mamoa aza mba hampamoa azy bebe kokoa. Izany hoe misy anesorana amintsika toy ny ravina maina na malazon’ny fahazaran-dratsy amin’ny maha olombelona. Tsy ny ratsy ihany fa koa ireo efa tsara mba hahatsara azy bebe kokoa. Misy amintsika anefa tsy mahatanty fandrantsanana ka mora tofoka sy kivy. Fandrantsanana eto ireny fanitsiana atao amintsika ireny, ny ezaka atontsika amin’ny fibebahana ka mahatonga antsika hanitsy ny fiainantsika ireny. Araka izany, mety ho ny hafa no handrantsana ka hanitsy antsika fa azo atao koa raha isika ihany no mandrantsana ny tenantsika tsikelikely mba hahatonga antsika hanome voany. Koa mahaiza mandray fandrantsanana isika fa tsy haka an-tendrony.

Fa tohizin’i Jesoa hoe: “Ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka tsy mahazo mamoa ho azy” Atao ahoana tokoa moa no hampamoa voaloboka antsika nefa isika tsy miray amin’ny foto-boaloboka fa hazo hafa? Andrasana amintsika ny voaloboka ka aza avadika ho goavy na voaroy na tsilo na voankazo hafa. Noho izany, mila mitoetra amin’Izy Kristy isika mba hitoerany ka hahatonga antsika hamoa be. Tsy hoe hamoa fotsiny mantsy fa hamoa be. Ka hiezaka araka izay tratra hahatonga an’izany. Tsy hahavita tena anefa isika fa eo Izy, tsy afaka hanao na inona na inona isika raha tsy Izy, araka ny teniny hoe: “Raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.” Koa miantehera aminy, aza misaraka aminy velively. Hanjary sampana maina ka hariana any ivelany raha miala aminy isika. Tsy vitan’izay ihany fa hangonina ireny ka atsipy any anaty afo ka ho dorana dia ho may. Zava-doza izany ka aza tratran’izany anie isika. Aleo ihany mitoetra ao aminy mba hitoerany amintsika. Azo lazaina fa mitoetra amintsika Izy rehefa miaina ny fitiavana isika ka hamoa fitiavana satria mbola hitsarana antsika indray andro any io fitiavana io. Toky ho antsika ny namaranana ny Evanjely teo hoe: “Raha mitoetra ao amiko ianareo ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany. Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro.” Ka inona indray no tsy anaovantsika an’izany? Asa takiana amintsika isan’andro vaky izany, koa alao hery!

Farany, Mahatsiaro an’i Masindahy Josefa mpiasa izao, mitondra am-bavaka ny mpiasa rehetra, ireo tsy an’asa sy very asa; fa sady miditra amin’ny volana manokana ho an’i Masina Maria ihany koa isika; ka ny vavaka ataon’izy mivady ireo anie hanamasina ny asantsika ho enti-midera sy manome voninahitra an’Andriamanitra, hiainantsika ny fitiavany ka honenany amintsika marina tokoa, araka ny efa niainan’izy ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...