16 mey 2024 — Alakamisy, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 20-26)

Fangatahana ho an’ny mpianany no voatoatin’ny vavak’i Jesoa omaly. Fa androany indray dia fitalahoana ho an’izay rehetra mino Azy no nangatahany. Mazava ny tanjon’ny vavak’i Jesoa eto dia ny mba hiraisan’ny mpino rehetra : “Mba ho iray izy rehetra”. Maro tokoa ny mino an’i Jesoa fa samy hafa ny foto-pisainany, samy hafa ny firehan-keviny ary samy hafa ny lalan-kizorany. Raha samy mitondra ny lohany fotsiny anefa dia mitory an’i Kristy samy hafa izany. Hany ka lasa potika ny endrik’i Kristy asehontsika amin’ny olona tsy mino Azy.

Izany indridra no hanantitranteran’i Jesoa amintsika eto hoe Izaho sy ny Ray dia miombona fa tsy misaraka. “Izaho ao aminao, ary Ianao Ray ato amiko”. Toy izany koa no tokony ho fiombonana misy eo amin’ny samy mpino Azy. Jesoa sy ny Ray dia niombona ho iray. Fa i Jesoa no nirahin’ny Ray hampahafantatra Azy amin’ny olona rehetra. Averin’i Jesoa in-telo mihitsy eto hoe : “Fa Ianao no naniraka Ahy”. Koa raha nirahin’ny Ray Izy dia tsy mitory finoana samy hafa akory fa finoana iray ihany. Tsy hoe rehefa ampitondraina ny teny dia lasa tsy tenin’ny mpaniraka intsony. Tsia ! Fa iray ihany na ny teny lazain’ny mpaniraka na ny teny lazain’ny iraka. Izany no atao hoe fiombonana.

Saingy ny zava-misy ankehitriny dia izao : samy mino an’i Kristy daholo fa samy hafa ny foto-kevitra ijoroana, samy hafa ny voambolana ampiasaina ary misy aza mbola mivoy fifanaratsiana madinidinika miaraka amin’ny fanindrahindrana diso tafahoatra ny finoan’ny tena. Ao koa ireo mihevitra fa izy ireo irery ihany no hany manana ny marina. Ka raha izany no jerena dia mampieritreritra hoe : fa tsy nahomby àry ve izany ity vavak’i Jesoa ity ? Tsia ! Efa tena nisy vokany tokoa io vavaka io raha tsy hilaza afa-tsy ny Konsily Vatikana II sy ny Sinaody farany teo isika. Fa ao amin’Andriamanitra, maro samihafa ny lalana ho amin’ny fiombonana ary maro samihafa ny lalana ho amin’ny firaisana, fa isika no tsy mahalala. Izany no nilazan’i Jesoa eto hoe : “Efa nampahafantariko ny Anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa”. Izany hoe mbola manohy ny asany hatrany Andriamanitra amin’izao androntsika izao mba hiraisan’ny mpino fa tsy indray mandeha fotsiny akory. Andriamanitra tsy maika, fa miandry fotoana feno vao manatanteraka. Fanabeazan’Andriamanitra antsika izany. Satria fihavaozana mandrakariva no ao Aminy.

Noho izany, aoka isika handalim-pinoana mba tsy ho very ny maha-izy azy ny tsirairay, mba hisian’ny fifanajana sy ny fanomezana lanja ny fahasamihafana, ka hahay hianatra sy handray izay tsara hita ao amin’ny hafa mba ho tanterahin’Andriamanitra ao amintsika ny fiombonana iray.

[Miara-dàlana] Zoma 14 jona 2024

♦ Homarihina ny 15 sy 16 jona 2024 ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Miisa 38 ireo fankalazana mandritra ny taon-Jobilin'ny Fanavotana ny taona 2025... ♦ Mankahery ny rehetra hanao asa soa pastôraly bebe kokoa, ny Papa François, amin'ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany faha-8 ho an'ny Mahantra, amin'ny volana nôvambra 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...