Mila mahay miaina anaty fandanjalanjana ny olona mba tsy hiteraka olana amin'ny lafin-javatra hafa. Mila miezaka mahay ambony, mahay ambany isika, ary koa mila manaiky tsotra izao ny lalana nodiavina, indrindra raha tena fahasahiranana na lalan-tsarotra no nodiavina. Mila mahay miatrika fahasahiranana ary ihany koa mahay miaina fiadanana sy filaminana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Misy ny fanabeazana azo hatao hisorohana ny lainga. Mba hisorohana ny lainga dia aporisihana hatrany ny olona heverina manao ilay lainga mba hanaporofo hatrany ny reseka hataony. Ny atao hoe lainga dia izay mifanohitra amin'ny marina. Ny lainga dia teny na fehezan-kevitra avoakan'ny vava. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco

Ny atao hoe zava-mahadomelina : zavatra hampidirina amin'ny vatana ary manakorontana ny asa voanjanaharin'ny taova ao anaty, ary mety mahafaty ihany koa, na ihany koa atao hoe poizina. Ny zava-mahadomelina dia manova ny fomba fandinihana sy ny fomba fandraisana ny zava-misy, ary ny fitadidiana. Ny zava-mahadomelina dia mitarika fiankinan-doha. Ny kafe dia tsy ao anatin'ny sokajin'ny zava-madomelina satria tsy manova ny fomba fandinihana zavatra iray. Fandaharana "amperala miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco...

Fianarana foana hatrany ny fiainana, tsy mitsahatra mianatra isika. Misy foana fotoana ahatsapana hoe mila mianatra ny tena satria misy zavatra vaovao foana miseho eo amin'ny fiainana. Manomboka amin'ny fahaterahana ny fianarana, mitohy mandritry ny fandalovana amin'ny fahazazana, sy ny fahatanorana, mbola mitohy any amin'ny sehatry ny asa. Na efa tafitditra amin'ny sehatry ny fiainan-tokantrano dia misy fianarana hatrany, ohatra : fianarana ny fifampitondrana. Rehefa miha-antitra dia mbola mianatra hatrany hitazomana ny fitadidiana, ny fahaiza-miaina... Ankoatra ny mpampiana eny anivon'ny sekoly dia ny fiaraha-monina no isan'ireo mampianatra sy sekoly...

[Miara-dàlana] Zoma 31 mey 2024

♦ Nankalazaina ny 30 mey 2024, ny fetin'ny Seminera Zokiny arovan'i Masindahy Paul VI, ao amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Hankalazaina ny 9 jona 2024, ao amin'ny EKAR Trinite Masina Mangasoavina, ny andron'ny vehivavy katôlika... ♦ Nandritra ny fampianarana tamin'ny Audience générale ny alarobia 29 mey 2024, no nanentanan'ny Papa François ny kristianina rehetra, mba hanao ho lohalaharana ny hafaliana hibanjina, izay vao ny hafaliana hanana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...