Fianarana foana hatrany ny fiainana, tsy mitsahatra mianatra isika. Misy foana fotoana ahatsapana hoe mila mianatra ny tena satria misy zavatra vaovao foana miseho eo amin'ny fiainana. Manomboka amin'ny fahaterahana ny fianarana, mitohy mandritry ny fandalovana amin'ny fahazazana, sy ny fahatanorana, mbola mitohy any amin'ny sehatry ny asa. Na efa tafitditra amin'ny sehatry ny fiainan-tokantrano dia misy fianarana hatrany, ohatra : fianarana ny fifampitondrana. Rehefa miha-antitra dia mbola mianatra hatrany hitazomana ny fitadidiana, ny fahaiza-miaina... Ankoatra ny mpampiana eny anivon'ny sekoly dia ny fiaraha-monina no isan'ireo mampianatra sy sekoly...

Ny vehivavy dia manana ny lanjany amin'ny fampandrosoana ny firenena. Manana adidy ny vehivavy manoloana ny tolom-panafahana amin'ny alalan'ny firaisan-kina ho an'ny tanindrazana. Fahaleovan-tena mampisalasala no azon'ny Malagasy, noho izany dia amin'ny endrika hafa no handraisan'ny vehivavy an-tanana ny fanohizana ny tolom-panafahana. Amin'ny alalan'ny asa isan-karazany no hanatontosany izany. Manao ny ezaka rehetra ny vehivavy, maneho firaisan-kina mba ahafahana mampandroso ny tanindrazana ary mba ho lovain-jafy, amin'ny lafiny fihariana, sy ny fanabeazana, fifanampiana amin'ny lehilahy. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Maro ny aretina tsy mifindra anefa manelingelina ny fahasalamam-bahoaka. Ny fahalotoan'ny rivotra iainana no isan'ny mahatonga ny aretin'ny taova-pisefoana, izay vokatry ny fako sy ny setroka isan-karazany. Ho fitsinjovana ny fahasalamam-bahoaka dia ilaina ny fanajana ny fahadiovana satria izay tsy mandoto dia isan'ireo efa manadio. Marefo ny fahasalamam-bahoaka raha vao misy tsy fahalavorariana ny fahasalaman'ny tsirairay. Mila manao ezaka ny olona rehetra mba hanarahana ireny tetik'asa ataon'ny fanjakana momba ny fahasalamana ireny. Maro ihany koa ny aretina ateraky ny fandrosoana toa ny fandrosoana teknôlôjia sy ny asa-fikarohana hafa... 

Noraisin'ny vaomieran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny rariny sy ny fiadanana ho fanamarihana ny 08 marsa ny loha-hevitra hoe : ny vehivavy sy ny fananan-tany. Nisarihana ny fisainan'ny rehetra ny mba hanomezana hasina ny vehivavy ny hoe : mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, tsy eo amin'ny lafiny ara-nofo sy ara-tsaina fotsiny ihany fa eo amin'ny maha-olona azy mihitsy koa. Ny vehivavy dia omen'ny lalàna zo mitovy feno sy mitovy amin'ny zon'ny lehilahy amin'ny lafiny fananan-tany. Mandrisika ny vehivavy ny tompon'andraikitra mba hiroso amin'ny ara-dalàna afahana misitraka sy manamafy ny fizakan-jo ; ohatra ny fisoratam-panambadiana. Maro ny vehivavy misehatra amin'ny asa fananan-tany ary mendrika amin'ny asa ataony... 

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...