Manao ny tomban'ezaky ny Fandaharana EVA niandraiketany ny solontenan'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Pastooralin'ny Fahasalamana. Tsiahivina ny loha-hevitra nifampizarana nandritra ny taona ary angatahina amin'ny mpihaino ny heviny sy ny soso-kevitra hanatsarana sy hifampizarana amin'ny taona ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...

Mba hampirindra ny fiainana ao an-tokontrano ao dia isan'ny fototra lehibe ny fametrahana sy fanaharana fitsipika izay mahakasika ny tsirairay mandrafitra ny atao hoe fianakaviana. Taloha dia toa-teny ny ray aman-dreny fa ankehitriny dia ny zanaka indray no mibaiko, ary teraka ho azy ny adiady. Ilaina ny mametraka fitsipika izay midika ho lamina harahina, io ihany koa no mari-pamatarana na mikendry soa iombonana ny mpikambana iray na tsia amin'ny hataony. Ny fitsipika dia : manampy ny rehetra, mampihena ny fifandirana, mampitombo ny fifanajana sy ny fifankatiavana, mampitodika amin'ny soa iombonana, manamafy ny fifampitokisana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...

Efa hita taratra ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny sehatra maro. Isan-taona dia manao fihaonam-be ireo firenena rehetra ao anatin'ny Firenena Mikambana nanao sonia ny fifanarahana lasitra amin'ny fiovan'ny toetr'andro. Efa misy vokatra azon'i Madagasikara tamin'izany ka entanina hatrany ny tsirairay handray an-tanana ny fiarovana ny tranobe iombonana, araka izay manandrify azy avy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...

Ny tsirairay dia tompon'andraikitra amin'ny fandresena ny SIDA, hatramin'ny taona 2030. I Madagasikara dia isan'ireo firenena nanaiky ny hiady amin'ny aretina VIH/SIDA, ary misy ireo dingana tratrarina hatramin'ny taona 2030. Ny daty ny 1 desambra dia andro iraisam-pirenena natokana hanamarihana ny ady amin'ny SIDA, Ankino amin'ny fiaraha-monina ny fitarihana ny ady amin'ny VIH/SIDA. Io andro io dia hanentanana ny olona momba ny ady amin'ny SIDA, fisintonana ny sain'ireo tompon'andraikitra mikasika ny dinga efa vita manoloana ny ady, fanohanana ireo olona efa mitondra ny tsimok'aretina sy fahatsiarovana ireo efa matin'ny aretina...

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...