Tokony ho fadiana ny endrika fitiavana maloto. Ampanalaviro ny olona ratsy fanahy ny lalanao. Tsy izay rehetra mitory fitiavana dia ekena avokoa. Manimba zavatra maro ny tsy fahaizana mandanjalanja isan'izany ny toe-tsaina. Mety hamotika tsikelikely ny fifandraisana ny resaka kolo-tsaina. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

Tsy iray andro ny mariazy, mila mizaha toetra mandritra ny fifamofoana. Aza malaky mitoky mamitaka ny endrika ivelany. Tsy avy amin'ny Ray fa avy amin'izao tontolo izao ny endrika ivelany. Tsy ao anatin'ny drafitr'Andriamanitra ny "coup de foudre" na ilay fahatairana ivelany. Ny kristiana dia mila mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra mba tsy ho voafitaky ny endrika ivelany, amin'ny vavaka. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

Amin'ny fotoanan'ny fifamofoana dia mifankahafantatra ara-tsaina, ara-batana izany hoe fahasalamana, ary ara-panahy ny olona mihevitra ny hivady, mba hahafahana manao firaisana ara-nofo amim-pifaliana any aorian'ny fanamasinana ny mariazy. Fitsipika ara-baiboly ny hoe mandao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy mba hifikitra amin'ny vadiny, izany dia tanteraka amin'ny fifamofoana. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

Rehefa voalamina ny safidin'ny vady dia manomboka ny fotoanan'ny fifamofoana ; fotoana mahafinaritra sy mampientam-po. Ara-tsoratra Masina dia misy fototra ny fiarahana : manamafy izany ilay ao amin'ny lalàn'i Mosesy hoe ny fanambadiana dia miorina mafy, ary misy fepetra mazava momba izany. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...