Nomen'Andriamanitra safidy malalaka ny olombelona hanao ny tsara sy handositra ny ratsy. An-tsitra-po malalaka mandrakariva anefa no itodihan'ny olona mankamin'ny tsara. Ny tena fahafahana ao amin'ny olombelona dia mariky ny maha-endrik'Andriamanitra azy. Ny fahamendrehan'ny olombelona dia mandidy azy hanao zavatra an-tsafidy malalaka ara-kônsiansy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Tsapan'ny olona fa ao anatiny ao dia misy lalàm-pitondran-tena tsy maintsy arahina, dia ny feon'ny Kônsiansiny. Dodonan'io feo io lalandava izy ho tia sy hanao ny tsara ary handositra ny ratsy ; re ao anatin'ny fo ao izy milaza amin'ny fotoana mety manao hoe "ataovy ity ; ialao io ". Na mety ho diso làlana aza ny kônsiansy dia tsy very hasina velively izy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Nataon'Andriamanitra vatana sy fanahy ny olombelona. Tsy maintsy hajainy ny vatany ary lalainy ny fanahiny ; ny vatana dia toa fitambaran'ny zava-boahary tsy vakivolo satria ao aminy no fara-tampon'izy rehetra ary ahazoany midera ny Mpahary azy ireo an-kalalahana. Marina ny iheveran'ny olombelona fa noho ny sainy fotsiny dia mihoatra ny zavatra rehetra izy satria manana anjara amin'ny fahazavan'ny sain'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Voalazan'ny Baiboly fa nataon'Andriamanitra mitovy endrika aminy ny olombelona, ary nataony lahy sy vavy ; saika mifanaraka mandrakariva ny hevitry ny mpino sy ny tsy mpino momba ity zavatra ity ka "Ny olombelona no toy ny foibe sy filohan'ny zavatra rehetra. Olo-marina no naharian'Andriamanitra ny olombelona nefa voasodokan'ilay Ratsy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco