Alahady fahaenina tsotra mandavan-taona : Sitrana ny boka ; Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana hoy ny Tompo, tsy misy olona makany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. Evanjely masina nosoratan'i Md Marka 1, 40-.45 : Ary nisy boka anankiray nanatona azy nandohalika teo anatrehany ka nitaraina taminy nanao hoe: Raha mety hianao dia mahay manadio ahy. Nangoraka azy Jesoa ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy sy nanao taminy hoe: Mety aho, madiova hianao... Ny vakin-teny anio dia miresaka ny lalàna sy ny momba ny boka izay tsy maintsy miseho amin'ny mpisorona manamarina fahasitranany...  Maro ireo haboka ara-panahy mahazo ny olombelona ka izay no ezahina tsaboina ao amin'ny Tompo.

Alahady fahadimy tsotra "B" : Misy antony ambony ny fijaliana. Ao ambadiky ny tsy takatry ny sain'ny olombelona dia Andriamanitra no tokony hianteherana, tahaka izay niainan'i Jôba. Ny olona tsy mahazo ny dikan'ny fiainana dia mametram-panontaniana amin'ny tenany, lalana iray hikarohana an'Andriamanitra ny loza amam-pijaliana eto antany. Mila miady sy mandà ny fahadisoam-panantenana ny olona, ary mitodika amin'Andriamanitra fa miaro ny ory sy ny mahantra izy. Maneho ny Eglizy trano ny tranon'i Piera, izay nisy an'i Kristy, ny Eglizy olona kosa dia ireo mpianatr'i Jesoa ; hita taratra amin'ny Evanjely novakiana teo ny fanompoan'ny olombelona ny Eglizy. Samy manana anjara toeram-panompoana ao amin'ny Eglizy isika rehetra... 

Alahady fahatelo tsotra taona-B : Ny tarehy ratsy no tsy azo ovàna fa ny toetra ratsy azo ovàna ; akaiky ny Fanjakàn'Andriamanitra, minoa ny Evanjely. Alahady fahatelo amin'ny volana Janoary dia natokan'i Papa Ray Masina ho amin'ny alahadin'ny Tenin'Andriamanitra, fotoana natao handiniana ny anjara toeran'ny Soratra Masina eo amin'ny fiainantsika. Ny tsy fahalalana ny Soratra Masina dia tsy fahalalana an'Andriamanitra. Nanohy ny fitoriana ny Evanjely efa nataon'i Joany ihany koa i Jesoa, miantso amin'ny fibebahana. Namela ny maha-izy azy, ireo mpianatr'i Jesoa nantsoiny hanaraka azy ary nihofo araka izay nampianarin'i Tompo... 

Alahady faharoa tsotra mandavan-taona : samy nantsoin'Andriamanitra tsirairay isika. Ny hafatry ny vakin-teny telo : Miantso antsika ho mpiara-miasa aminy Andriamanitra. Hoy Md Augustin : Andriamanitra ilay nahary antsika, tsy nisy antsika, dia tsy afaka mamonjy antsika raha tsy misy antsika. Izay manaiky an-tsitrapo sy am-pitiavana honina ao amin'ny Tompo dia aheno ny feony miantso azy ary sy ho ampitomboiny ao amin'ny fahasoavany. Isika olombelona rehetra no antsoina ho amin'ny fahamasinana... 

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...