Alahady 01 martsa 2026 - Alahady faharoa karemy - Taona A - Voaantso ho an’ny fanantenana isika. Tao anatin’ny rahona mamirapiratra no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy. Ny dikan'ny fiovan-tarehy teo amin'i Jesoa dia fanehoany ny voninahiny mba hankaherezana ireo mpianany rehefa ho tonga ny fotoan-tsarotra efa voasoratra sy lalana hamonjena ny olombelona, etsy ankilany dia fanambaran'i Jesoa ny tenany amin'ny maha Andriamanitra Azy sy fanambarana mialoha ny hitsanganany amin'ny maty. Ny hoe "Henoy" dia fienkem-pinoana nataon'ny Jody, araka ny voalaza ao amin'ny Testamenta Taloha...
Alahady 22 febroary 2026 - Taona A - ALahady voalohany karemy : Andriamanitra tsy tia ratsy fa ny olombelona no be siasia. Tena fitiavana ny fandraràn'Andriamanitra ny olombelona amin'ny alalan'ny Didy folo sy ny fandraràna hafa araka ny Soratra Masina, Tian'Andriamanitra hanaka azy amin'ny lafiny rehetra ny olombelona. Ny tany efitra dia manambara fisitahana, fahanginana, fivavahana, fisedràna fakam-panahy maro. Ny demony dia tsy maka fanahy raha tsy misy zavatra fanararaotra toy ny sakafo, harena, voninahitra, ka ilaina mitolona am-bavaka sy mitoky amin'Andriamanitra Ray, Zanaka, sy Fanahy-Masina...
Alahady 08 febroary 2026 : Alahady faha-5 mandavantaona — A — Ny soa atao levenam-bola ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana. Oharina amin'ny Fanasina sy ny Fahazavana ny mpianatry ny Tompo, izay lovaintsika Kristiana amin'ny fomba amam-panao ankehitriny, toetra manentana ny rehetra hanatontosa ny adidy, andraikitra tandrify azy araka ny fitantanan'ny Fanahimasina. Ny Jiro dia natao hanazava, hiadiana amin'ny tahotra ; ny sira dia fanomezana hasina, ary natao hanadiovana, fitsaboana, fanasitranana ; noho izany dia natao hiazona ny hajan'ny fiaraha-monina ny Kristiana...
Alahady 25 janoary 2026, Alahady faha-3 mandavantaona — A — Masoandro be lohataona i Kristy ka tsy mifidy olon-kosoavina ; Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona. I Korinty dia toerana nivezivezen'ny olona maro, avy amin'ny fiavina samihafa noho izy nanana seranan-tsambo lehibe, maro ny firehan-kevitra mifamaofaho, na ny samy kristianina azy dia samy manana ny fanazavany ny finoana araka izay takany, ireny anefa no niteraka ny fifampiandaniana ; miantso ny rehetra mba haneho finoana iray...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco