♦ Fo mirehidrehitra anaty; tongotra am-pandehanana; io no hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany hivavahana ho an'ny Misiôna, ny taona 2023... ♦ Notendrena tamin'ny talata 26 septambra 2023, ny Vikera Jeneraly ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Niompana tanteraka tamin'ny fitsidihana apôstôlika faha-44 nataony tany Marseille, ny fampianaran'ny Papa François, ny alarobia lasa teo...
Ambohim-pihaonan'ny mpamokatra eny ambanivohitra sy ny mpitsidika, mpanjifa eto an-drenivohitra ny feny amin'ny MPE Nanisana amin'ity herinandro ity. Tanterahana eny an-toerana nanomboka ny alakamisy 28 septambra hatramin'ny alahady 01 ôktôbra 2023 ny Tsenaben'ny Fiompiana, ny Jono ary ny Fambolena andiany faha-15...
Maro ny tanora tsy mahafantatra ny ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo atao hoe : IST kanefa mitombo be ireo fahazoana ny otrik'aretina mahatonga azy ankehitriny. Aleo misoroka toy izay mitsabo anefa satria maro be ny voka-dratsiny ara-pahasalamana sy ara-pitondrantena sy ara-panahy... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.
Eo anatrehan'ireo zava-baovao "res novae" tsy mifanentana eo amin'ny tontolon'ny asa, ny fampianaran'ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy dia manafatra ny mba hisorohana ny hadisoan-kevitra fa ireo fiovana ireO dia lahatra tsy azo ihodivirana. Manazava ny sain'ny besinimaro ny Eglizy fa tokony loha-laharana ny lafin'ny asa maha tompon'antoka ny olona satria ny asan'olombelona dia antso. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco