Masindahy Joda no antsoina rehefa misy zava-dehibe manahirana, anatin'ny finoana sy fitoniana. Ny fanevan'ny satana dia ny vola aman-karena, ny voninahitra, ny fiavonavonana, ary mampiasa ny fomba sy ny fitaovana rehetra hanaovana tsindry hazo-lena ny hafa ; ny fahefan'i Kristy kosa dia ny fahantrana, ny fiharetana ny fanaratsiana isan-karazany, ary manao ho zava-dehibe ny famindram-po sy ny famelan-keloka. Zava-dehibe ny fanompona ny namana ... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…
Nahazoana vokatra miabo ny fiaraha-miasan’ny Association Voahary Maitso na ny AVM tamin’ireo sekoly ao amin’ny faritra Itasy. Fikambanana miaro ny tontolo iainana, misehatra amin’ny asa fampandrosoana amin’ny alalan’ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny fantsaràna ny velon-tenan’ny mponina eny ambanivohitra ny AVM. Fiaraha-miasan’ny AVM amin’ny mpiara-miombon’antoka ny tetik’asa antsoina hoe fanabeazana hoan’ny Fiainana na ny Education for life...
Ny fanorenana fiaraha-monina marina sy milamina dia mitaky fanajana ny zon'ny tsirairay, fifampihainoana ary fahaizana mandray ny tsy fitovian-kevitra. Noho izany, ny olom-pirenena tompon'andraikitra dia mahafantatra ny zony sy ny adidiny, manaja ny lalàna ary mandray anjara amin'ny fiainam-piaraha-monina. Na dia tsotra aza ny fihetsika atao isan'andro, dia afaka mitondra fiovana lehibe sy mampandroso ny tombontsoa iombonana. Fandaharana "Fibeazana Miaina sy Mitia", iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar...
• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco