♦ Tsy misy ahiana ny tahirin-tsolika eto amintsika. Mbola maharitra iray volana eo ny tahiry ho an'ny Faritra samy hafa eto amin'ny nosy. Efa tonga ao Toamasina ihany koa ny sambo mitondra ny solika nafarana avy any ivelany... ♦ Nikaon-doha momba ny fomba fambolena miaro ny tontolo iainana ireo mpisehatra samihafa androany. Resy lahatra ireo tantsaha mampihatra ity fomba famokarana ity fa nanatsara ny velon-tenany ny fanaovana izany... ♦ Ho betsaka ny rotsak'orana any amin'ny faritra avaratra sy avaratra atsinanan'ny nosy hatramin'ny zoma ho avy izao...
Ny fanampiana dia tsy midika hoe : "misalovan andraikitra". Eto dia apetraka amin'ny toerany ny olona na vondrona tsirairay ary ankinina aminy hatrany ny zara asany. Ny vondrona rehetra eo amin'ny antanantohatra ambony dia tsy maintsy mivonona hitondra fanampiana, ho fanohanana, na ho fampandrosoana an'ireo vondrona ambaniny. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Alahady 17 aprily 2022 — Alahadin'ny Paka. Nitsanganan'ny Tompo ho velona — Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 20, 1-9
Natao hampivelatra ny mahaolona ny fahalalana. Mila fahendrena nefa izany, mba ho fanovozan-tsoa ho an'ny tena sy ny hafa ilay fahalalana, ary hitondra any amin'ny fampandrosoana. Ny fahendrena no itsanganan'ny trano, ary ny fahalalana no iorenany mafy ; Ny fahaizana no amenoana ny ao anatiny, amin'ny harena soa sy mahafinaritra rehetra. (Ohabolana 24, 3-4).
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco