Adidy lehibe miandry ny mpitondra Fiangonana ny pastoraly momba ny fianakaviana eo amin’ny sehatra maro samihafa, mba tena hananan’ny fianakaviana isan’isany izany finoana velona tokony hijoroany izany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
Marihana isaky ny 22 Avrily ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tany. Andro natokana ho fanentanana ho fampiharana ireo fepetra isan-karazany hisitrahana ny zo momba ny fananan-tany sy ny fanakanana ny fihetsika rehetra amin'ny fahapotehan'ny ala sy ny fanaovana ny doro tanety. Isan'ny misehatra amin'izay fanajàna ny zo momba ny fisitrahana tany izay ny ONG Fiantso Madagasikara...
Mila fitoniana ny olona ankehitriny, indrindra manoloana izao valan'aretina izao, mila mametraka filaminana sy fandaminana. Miezaka mametraka fifandraisana tsara manomboka eo anivon'ny ankohonana ary miitatra hatramin'ny fiaraha-monina...
Tsy misy intsony ny hafanan’ny fifankatiavana, ny fifampihainoana ary ny fifampizaràna ao an-tokantrano. Vitsy dia vitsy ny tokatrano manam-pinoana ka maneho eto ivelany izany hoe tokatrano kristianina izany. Katesizy momba ny fianakaviana, miaraka amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco