13 marsa — I Rodrigue dia pretra espagnol, teraka tao Cabra akaikin'i Cordoue Espagne. Nohamasinina ho pretra izy ka natao miafina ny fanamasinana azy satria mbola nobaboin'ny Sarrasins ny toerana nisy azy ireo tamin'izany fotoana izany.
Eo amin'ny faha-50 taona no manomboka miditra amin'ny digam-piainana maha zokiolona ny olombelona. Misy ireo trangan'aretina izay tsy azo hamaritana velively ny maha zokiolona, satria ny maro amin'izy ireny matetika dia miseho noho ny fomba nitondran'ny tsirairay ny fiainany.
• Mitana ny laharana faha-83 amin'ireo firenena miisa 167 nanaovana fanadihadiana ny firenena malagasy, amin'ny fampanjakana ny demokrasia... • Mbola manjaka ny ady tany sy ny fibodoana tany ankehitriny... • Voatana ny datin'ny androany 11 marsa 2025, nanombohana ny asa fanotofana ny lalana mihazo ny tananan'i Ivato...
Anisan'ny nampisongadina ny vavaka ataon'i Jesoa ankoatra ny hoe fananany faharetana amin'ny vavaka, ny fivavahany lalandava, ny fananany herim-po ary indrindra ny fananany fahatokisana ny Ray. Anisan'ny adidin'ny mpisorona ny manolotra vavaka ho an'ny vahoaka an'Andriamanitra, ny mivavaka ho an'ny olona rehetra., eny ho an'ny fahavalo ihany koa... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco