Ny katarakta dia ny fahafotsian'ny anakandriamaso ka lasa manana olana amin'ny fahitana ny olona iray. Ny asan'ny anakandriamaso dia mandrindra ny fijery (accomodation), miantoka ny fandefasana ny hazavana makany amin'ny retsika ao anatin'ny maso. Ny katarakta dia isan'ireo antony iray mitarika amin'ny fahajambana. Fomba fisehony : sahirana rehefa mijery, manjavozavo ny fahitany... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Fambolena miaro ny tontolo iainana : mahaliana ny tanora Tafita any amin’ireo tanora nahazo tohana ara-piofanana avy amin’nytambazotra iraisam-pirenena misehatra amin’ny fampiofanana amin’ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR sy ny Réseau SOA ny fahaza-manao noratovin’izy ireo. Nahita tombotsoa ireo tanora nampihatra ny fambolena miaro ny tontolo iainana sy ny fitantanana ny rano tao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo
ao amin’ny kaominina Antanetibe Mahazaza ato amin’nydistrikan’Ambohidratrimo.
Ny fanabeazana olom-pirenena dia fampahafantarana azy ny zony. Ny hoe verezin-jo dia ireo olona ampidinina amin'ny laharana ambany noho izay efa misy azy. Tsy ny mpanao pôlitika irery no mila mandray andraikitra amin'ny fampandrosoana ny firenena fa ny olom-pirenena rehetra. Ny olona manam-bola ankehitriny no maro mitantan-draharaha fa tsy ireo olona nianatra sy manana traik'efa ; ilaina hampianarina any an-tsekoly ny "pôlitika" amin'ny maha hay fitantanana ny tanàna azy... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Mitaky ny hamoahana amin'ny fomba mangarahara ny valim-panadihadiana momba ny fanapoizinana ara-tsakafo nitranga tamin'ny faritra maro teto amin'ny nosy, ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena 400 isa. Miendrika fanodikondinana saim-bahoaka ny famoahana ny vaovao, hoy izy ireo... • Manara-maso akaiky ny fanadinana Bakalorea, ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Nampahatsiahiviny an'ireo lehiben'ny foibem-panadinana sy ireo mpampianatra mpanara-maso ny fanadinana, fa zava-dehibe ny fanarahana ireo toromarika efa nomena... • Tonga nankahery sy nametraka fandaminana ho an'ireo mpivarotra, ny teo anivon'ny Kaominina Ambonivohitra Antsirabe androany maraina, manoloana ny fahamaizan'ny tsena Sabotsy...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco