Alarobia 08 janoary 2020 — Herinandro manaraka ny Epifania — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 45-52 — Hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo no nanirahan'Andriamanitra Ahy, sy hankahery ny torotoro fo.
Mankalaza ny fetin'ny Noely ny fiangonana tatsinanana amin'ity anio ity. Niarahaba sy nirarisoa ho an'ireo mpino rehetra manaraka izany tetiandro izany i Papa François, omaly.
Tsy manome anjara toerana ny zokiolona intsony ny kolo-tsaina ankehitriny. Mbola mandrafitra ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina anefa izy ireny. Asongadin'ny Papa François amin'ny katesizy momba ny fianakaviana izany. Tohin'ny fandalinana iarahana amin'ny P. Justolat Rafaralahimboa:
Mety hanimba ny vehivavy ve ny fanambin'ny vaninandro ankehitriny ?
Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin’ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin’i Tolagnaro, noho ny fahatrarany ny fetra-taona, ary notendren’ny Ray masina handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona, Économe ao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Joany Batista, Vohitsoa, Fianarantsoa.
Tohiny...Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2023 Radio Don Bosco