Mila manontany tena ny olom-pirenena tsirairay eo anatrehan'ny tontolo manodidina azy. Mila mikaroka ny saina. Inona no tokony atao mba tsy hanimbana ny olona eo akaiky ? Mila migaga ny fahatsaran'ny zava-boahary ; satria mitarika ny saina hanao zavatra tsara izany.
Alahady 14 jona 2020 — Vatana aman-dRan'i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 51-58 — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo ; izay mihinana amin'ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay.
Nantsoin’ny Ray hiala sasatra ao aminy ny zoma 12 jona 2020 tamin’ny mitataovovonana i F. Abbio Elio, sdb, rehefa nahavita ny iraka nankininy taminy, nandritra ny 65 taona naha-relijiozy azy tao amin’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco.
Ny tsy fahatokisanao tena no mahatonga ny sakana misy aminao. (10-06-2020)
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco