Ny tsy fahatokisanao tena no mahatonga ny sakana misy aminao. (10-06-2020)
Alarobia 10 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.
Ny fahefa-miatrika ireo dona mianjady amin'ny fiainantsika zanakolombelona, ao anatin'ny fanomezana hasina hatrany ireo fahasamihafana ananantsika, dia ilana paik'ady. Fanabeazana manomboka eo amin'ny ankohonana, avela miatrika ny ankizy fa tsy saikena foana : izany no fanabeazana : mampianatra ny olona hisaina. Hahatsiaro mandrakariva fa tsy misy olona tonga lafatra. Tsy tokony hohadinoina ihany koa fa tsy mampitondra zavatra tsy zaka Andriamanitra. Mila mamantatra sy mahatsapa ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra anananao. Mila manana toe-tsaina mahay manaiky sy mandanjalanja. Mila mahay mihaino ny hafa. Hotsaroana mandrakariva ihany koa fa manam-panahy ny olombelona : mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.
(03-06-2020) Hery ary zavadehibe eo amin'ny fiainan'ny olombelona ny fahatokisana.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco