Tsy tratra ny tanjona napetraka tamin'ilay drafi-pirenena ho fampandrosoana ny fambolem-bary na ny SNDR, tamin'ny taona 2016-2020. Tsy mihoatra ny 4% isan-taona ny tahan'ny famokarana eto amintsika, izay tsy mifanalavitra amin'ny tahan'ny fitombon'ny mponina, hoy ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Ramilison Harifidy.
Samy manana ny toerany sy ny andraikiny ny rehetra ao anaty fianakaviana iray. Ny fiarahan-dian'ny rehetra ao anatin'izany no nitondra ny hasambarana sy hafaliana eo amin'ny fiainan-tokantrano. Na inona na inona olana sedraina dia niaina hasambarana sy fitiavana hatrany ny tsirairay. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Centre Arrupe Madagascar.
Ny vodiondry, dia ilay fanambadiana araka ny fomba Malagasy. Maro ireo mihevitra fa rehefa vita ny vodiondry dia foana ny sakatsakana tsy ahafahana miray trano. Misy ireo azo adika hoe mihatsara-velatsihy satria efa mitondra vohoka ny vavy dia ezahana atao haingana ny vodiondry. Ny fahavitan'ity dingana faharoa ity dia tsy mbola midika hoe efa afaka miray trano ny mpivady. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny Sakramentan'ny Batemy, iarahana amin'i P. Rafaralahimboa Justolat.
♦ Ahiana mafy ny mety hisian'ny rivodoza hahakasika an'i Madagasikara amin'ny herinandro ho avy io, hoy ny Météo. Mety hisy rivodoza hiforona amin'ity herinandro ity ao amin'ny Ranomasimbe Indiana... ♦ Miahiahy ny tsy hisian'ny fifidianana amin'ity taona ity ny antoko FIDEM, raha ny fahitan'izy ireo ny fanomanana amin'izao valo volana mialoaha izao... ♦ Nanao hetsika fanairana androany ireo mpiasa niasa an-tsitrapo teny amin'ny CTC-19. Miisa 732 mianadahy ireo teto Antananarivo no nampanantenain'ny Filoham-pirenena fa horaisina ho mpiasam-panjakana, rehefa vita ny asa nampanaovina...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco