Alarobia 31 marsa 2021 — Alarobia masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 26, 14-25

Ry kristianina havana ! Mbola miverina ihany ny mahakasika an’i Jodasy raha ny voalazan’ny Vaovao Mahafaly norenesintsika teo. Mampahonena tokoa ny famadihana an’i Jesoa araka ny efa voalaza tamintsika omaly teto, fa vokatry ny fitivantenantsika sy ny fankafizantsika ny zavatry ny tany no mahatonga izany. Mazava anefa ny voalazan’i Jesoa fa ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy, kanefa loza ho an’izay hamadika Azy. Io lalan’ny fijaliana sy ny fahafatesana io, no tsy maintsy nizoran’i Jesoa mba hahatanteraka ny famonjena antsika, fa i Jodasy tokoa no nidiran’ny fanahy maloto ka niavaka tamin’ireo mpianany rehetra, na dia samy nanana ny fahalemeny avy aza izy rehetra. Ny mahagaga eto dia na i Jodasy aza, izay efa nivonona tamin’ny zavatra rehetra hanolorany ny mpampijaly an’i Jesoa, dia mbola manontany an’i Jesoa ihany hoe moa izaho va izany. Isika tokoa anie dia tena tsy mahatsapa akory indraindray ny tsy mety ataontsika. Moa mba manontany tena ve isika indraindray na mba iasan’ny Fanahin’Andriamnitra ihany ka hanana fahatsapan-tena fa diso eo anatrehan’ny eritrerintsika na ny ataontsika ?

Saro-tiavina mantsy isika olombelona indraindray ka tsy mahay mamaly ny soa ataon’Andriamanitra antsika. Efa fitiavana faratampony no omen’Andriamanitra antsika amin’ny nanolorany ny Zanany, fa mbola sahintsika ihany ny mivadika amin’izany fitiavana mihoampampana omen’Andriamanitra antsika izany. Isika no mpiananatr’i Jesoa ankehitriny, ka aoka ho tsapantsika fa isaky manao ny tsy marina isika na manao ratsy dia mpamadika tahaka an’i Jodasy. Miahy antsika zanany anefa Andriamanitra, ary mahalala ny ilaintsika, koa mangataha isika mba homeny hery hanoherana ireny fakam-panahy ireny ary mba hanana fitokiana Azy tanteraka, toy ny zaza matoky ny Rainy.

Jesoa Tompo ô ! Eo amin’ny fiainanay isan’andro, ampio izahay mba hahay handray am-pinoana sy am-pahatoniana izay rehetra mety ho fanenjehana anay amin’ny maha kristianina anay. Ampio indrindra koa tsy ho sodokan’ny zavatra tsy dia manao ahoana loatra ka mahatonga anay hamadika anao indraindray ! Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...