Manana ny fomba mampiavaka azy ny foko Vezo, isan'izany ny "soron'anaka" fomba iray afahan'ny ray hanana fahefana amin'ny zanaka vavy. Misy karazany telo ilay fomba araka ny tranga misy, raha mbola anaty vohoka dia Soron-troka, raha efa tekaraka dia soron'anaka, fa kosa rehefa mahaleo tena (lehibe) dia soro-bata no ilazàna azy. Ny toerana fanaovana ity fomba ity dia eny amin'ny mpitan-kahomanga ; ity fomba ity dia heverina manankery ho an'iny zanaka vavy maro, iray reny, rehefa vita fomba ny iray voalohany. Ny soron'anaka dia azon'ny ray, ny anadahin-dreny na ny raibe tontosaina amin'ny zanaka vaviny...

Ny foko "Vezo" ara-tantara dia misy fiaviana avy any ivelany sy eto an-toerana : Indonesie, Arabe, Austronesia. Ity foko ity efa nisy teto Madagasikara tamin'ny taon-jato faha-5 hatramin'ny faha-12. Ny hoe "Vezo" dia azo heverina ho avy amin'ny teny hoe "Bajau" midika hoe mponina an-dranomasina. Ny foko Sakalava sy ny Mahafaly no nipoiran'ny foko "Vezo". Ny Vezo dia foko mpifindra monina, fa niara-nonina  tamin'ny Vazimba. Rehefa tera-bao ny vezo dia atao anaty ankorandriaka ny tadipoitra dia alefa an-dranomasina...

Ny "kipotsaka" dia karazan-dahabolana entina hisarihana ny olona hiresahana hifantoka amin'ny dinika hatao. Ireo tanora mifampiresaka momba ny fitiavana no matetika tena manao azy ity. Andiam-pehezan-teny tsy mifampiankina fa entina misarika fifantohana fotsiny. Ohatra : Ganagana tsy mba gisa, manontany tsy mahadiso... Lahabolana Betsileo no nipoiran'ity lahabolana ity ary ny "kalita" no mitovitovy amin'ny, izay somary misy ady rima...

Ny "kipotsaka" dia karazan-dahabolana mifototra amin'ny tsilalaon-teny aman-kevitra. Ampiasaina rehefa hampita hafatra fohy izy io ka eo alohan'ilay fehezanteny na andiam-pehezanteny mirakitra ny tena hafatra dia andrafetana fehezanteny na andiam-pehezanteny tsy manana hevitra mifandraika mihitsy amin'ny votoatin'izay hafatra hampitaina amin'ilay itenenana. Ny foko Betsileo no tena mpiangaly ny kipotsaka, indrindra ireo tanora mifampilaza fitiavana. Ny lahabolana "kalita" no mitovitovy amin'ny "kipotsaka" fa iry voalohany dia somary misy rima...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...