Ity taom-pikatrohana ity dia hifantoka kokoa amin'ny firesahana ny soatoavina "fihavanana" Kolontsaina Malagasy fototra. Mindringa ankehitriny ny fahaiza-miaina nananan'ireo Ntaolo, izay nanao ho zava-dehibe ny fihavanana mialoha ny vola, amin'izao fotoana izao mantsy "aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola. Ny fihavanana, ny fifanajàna no afahana manorina fifanarahana. Raha te handroso dia mila manana tanjona sy mahafaritra dingana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fandaharana dia manana tanjona mba ha-olom-banona ny mpihaino, tsara noho izany aza dia ny hoe "olom-banona sy kristiana". Hita tamin'ireny fitsenana ny Ekipam-pirenena Barean'i Madagasikara ireny fa mbola ao amin'ny Malagasy ny firaisan-kina, fifanajàna, fihavanana, mbola azo ampiarina amin'ny lafin-javatra maro ireny soatoavina ireny. Ny finiavana sy ny fitiavana dia fototra afahana mampandroso, indrindra raha tsara ny safidy miampy ny talenta... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanabeazana olom-pirenena dia fampahafantarana azy ny zony. Ny hoe verezin-jo dia ireo olona ampidinina amin'ny laharana ambany noho izay efa misy azy. Tsy ny mpanao pôlitika irery no mila mandray andraikitra amin'ny fampandrosoana ny firenena fa ny olom-pirenena rehetra. Ny olona manam-bola ankehitriny no maro mitantan-draharaha fa tsy ireo olona nianatra sy manana traik'efa ; ilaina hampianarina any an-tsekoly ny "pôlitika" amin'ny maha hay fitantanana ny tanàna azy... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Manana ny anjara toerany lehibe ny tantaram-pirenena, izay mamolavola sy manomana ny olom-pirenena vanona, mahalala ny toerana sy ny andraikiny ary ny adidiny eo amin'ny firenena. Zava-misy ankehitriny anefa maro ny olona no tsy mahalala ny tantaran'ny firenena. Ny olona verezin-jo, ara-toekarena, ara-pitantanana, ara-panabeazana sy amin'ny lafin-javatra samihafa dia toy ny miaina ao anaty fanandevozana amin'ny endriny vaovao... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco