Manafaingana ny asa fanarenana ny ala hoko simba ao amin’ny faritr’i Sofia ny orinasa Bôndy amin’izao fotoana izao. Mafy ny tsindry nahazo ny ala honko isan’izany ny tao Ambilanibe, kaominina Ankerika. Mirefy 48 hektara ny ala honko simba hatramin’ny 80 isanjato, tapahan’ny olona nanaovana arina fandrehitra. 150 gony isan’andro mantsy ny harina fandrehitra vita amin’ny honko mamatsy an’Antsohihy. Mba hanonerana izany, manana toeram-pambolen-kazo hoko ao Malako fokontany Ambolobozo, kaominina Ambodirano ao amin’ny distrikan’Antsohihy ny orinasa...
Mibaribary toa ny tafika an-drefan-tanàna ankehitriny ny anjara toerana sy ny andraikitry ny vehivavy tantsaha amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, izy ireo izay mandray anjara amin'ny fiantohana ara-tsakafo sy ny fampihenana ny fahantrana. Misehatra amin'ny asa famokarana sakafo mantsy ny vehivavyary isan'ny miantoka ny sakafo jifain'ny fiaraha-monina misy azy...
Manohana ny fiarovana ny ala honko ao amin’ny faritr’i Sofia ny fahefana eo anivon’ny faritra sy ny any amin’ny kaominina. Raharaham-panjakàna ny fiarovana ny tontolo iainana araka ny nambaran’Andriamatoa Fidèle Emilson, tale misahana ny fotodrafitr’asa sy ny falmpandrosoana na ny DID ao amin’ny faritr’i Sofia, sady filoha lefitry ny vovonana hoan’ny fitantanana ny faritra arovana na ny P.F.Gap Avarabe Lovainjafy izay ivondronan’ny faritra Sofia, Diana, Sava, Analanjirofo ary Boeny. Manaporofo izany hoy izy ny fametrahana io rafitra io...
Mandresy lahatra ny tantsaha ao amin'ny Distrikan'Ambatoboeny Faritra Boeny hikajy ny tontolo iainana amin'ny fampiasàna ireo teknika fambolena mifanaraka amin'izany ny Fivondronan'ny Tantsaha Miara-mizotra... Miasa amin'ny kaominina miisa 6 ao amin'ity Distrika ity ny fikambanana efa ho 3 taona izao. Sehatr'asa ataony ny fanapariahana ny teknikam-pambolena mikajy ny tontolo iainana mba hiarovana ny nofon-tany sy ny tontolo manodidina. Manatsara ny velon-tenan'ny tantsaha amin'ny alalan'ny varotra iombonana ihany koa ny fikambanana. 4 taona niasana ny fikambanana Miara-mizotra, kanefa efa azo tsapain-tanana hoy Andriamatoa Randriazafison Tsitohaina, filoha mpanorina ny fikambanana Miara-mizotra ny vokatra azo amin'ny faharesehan-dahatry ny tantsaha amin'ny fampià izay fambolena mikajy ny tontolo iainana izay.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco