Tokony hohajaina sy hovelomina ny fombam-pivavahana lova-panahy (vavaka Rosaire, Lamesa, Hasivin'andro, fiatahana masina...), raha tsy manelingelina ny Litorjia. Ny Litorjia dia mitohy amin'ny asan'i Kristy, indrindra amin'ny Paka. Kristy dia miasa ao amin'ny Fiangonana ; ny Fiangonana no vatany, manohy ny asan'ny Famonjena... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Na loharanon'ny fiainam-panahy aza ny Litorjia dia tsy voafetra amin'izany ihany ny fiainam-panahy kristiana. Misy ny vavaka manokana, ny fandinihana masina, ny asa fiantrana, izay mitarika sy mivelatra avy amin'ny Litorjia. Ny mpino dia antsoina ho olon'ny Litorjia amin'ny fiainany manontolo. Ny fiainam-panahy dia tsy amin'ny fotoana fivavahana fotsiny... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Mba hahafahana migoka ny fahasoavana amin'ny Litorjia dia ilaina ny fahavononana sy fo mahitsy ; izy mihitsy no lasa mizara fahasoavana. Ny Litorjia dia miteraka vokatra marina raha mandray anjara amim-pinoana sy amim-panahy ny mpandray anjara. Ny fahasoavana dia mitaky fanomanana (finoana, fitiavana, fibebahana)... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Ny Eokaristia no fanenkem-pihavanana ataon'i Kristy amin'ny olombelona. Ny asa rehetra ataon'ny Eglizy dia mitodika amin'ny Litorjia ; ary avy amin'ny Litorjia no mivoaka ny herin'ny asa rehetra. Ny Litorjia no fo mitempon'ny Eglizy, loharano sy faratampony amin'ny fiainana Kristiana manontolo, fitiavana nasehon'i Jesoa Kristy... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco