Jamoka no anarana niantsoana ny omby taloha ; ireo razamben'ny Malagasy "Vazimba" dia efa nihinana io biby io. ireo Aôstrôneziana tonga teto Madagasikara no tsy nihinana "omby", fa taty aoriana ny Malais dia nihinana tsikelikely?. Ny omby manga dia tsy misy ronono no sady tsy misy trafo. HELA - HENINA dia midika hoe "hena" amin'ny teny Aôstrôneziana. Ny HENA dia ilazana ny omby maty, ialàn'ny tongony sy ny rambony ary ny lohany. Omby vavy mainty na mena fa misy faritra fotsy @ lohany sy ny tongony aman-tanany miampy ny rambony no atao hoe omby volavita...
Ny "korambe" dia lahabolana entina hiresahana ny zava-misy amin'ny endrika kanto, mety ho hatsikana ihany koa. Ny "korambe" dia miainga amin'ny fanontaniana ary mety hiafara amin'ny fanontaniana ihany koa ; ny tantara fohy ao anatiny dia manakaiky kokoa ny marina sy ny zava-misy, mifandraika amin'ny fiainana andavanandro. Ny "korambe" dia karazan-dahabolana miendrika tantara fohy fanaon'ny foko betsimisaraka-avaratra. Ny fotoana fanaovana ny korambe dia rehefa miasa eny antsaha, rehefa mipetrapetraka an-tanàna amin'ny antoandro na hariva na koa rehefa miari-tory amin'ny alina...
Ny "korambe" dia karazan-dahabolana miendrika tantara fohy fanaon'ny foko betsimisaraka-avaratra, ao amin'ny faritra Analanjirofo sy ny manodidina. Lahabolana entina manalanala andro, izay mety hitarika ady hevitra na fampihomehezana. Mitovitovy amin'ny angano izy saingy fohy. Korana = resaka na resadresaka, ahazoana matoanteny hoe " mikorana - miresaka - mitafatafa". Matetika, manomboka amina fanontaniana ary miafara amina fanontaniana ny fitantarana mba hiteraka ady hevitra ; maharitra 3-5 minitra ny faharetan'ny tantara iray...
Misy hafatra miisa folo notsoahina tamin'ny tantaran'i Rainandriamampandry. 1-Meteza ho fototrolona. 2-Tiavo ny ankohonana. 3-Manolora tena ho an'Andriamanitra. 4-Loloavy ny tanindrazana. 5-Mitozoa amin'ny fianarana. 6-Tandrovy ny fahamarinana. 7-Mandalà fihavanana (adidy amin'ny havana sy ny fiaraha-monina). 8-Manàna tanjan-tsaina. 9-Mijoroa amin'ny maha-malagasy. 10-Miankìna amin'Andriamanitra. Rainandriamampandry dia olona nampisongadina ny soatoavina malagasy indrindra ny fanaovana ho zava-dehibe ny "fihavanana". Aza mitady ho vazaha fa mitoera ho Malagasy mandra-pahafaty...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco