Tsy misy afaka hanompo tompo roa, fa ny iray homeny lanja ary ny iray ho ambaniany. Ny 15 aogositra 1571 no nifandaroka ny Silamo sy ny Kristianina, tamin'izany fotoana izany no nanentanan'ny Papa mba hanaovana ny toko sampile hitodiana amin'i Masina Maria vonjy mahatoky, tamin'izany indrindra no nipoahan'ny sambo iray tamin'ireo marobe noentin'ny Silamo nanafika, nanomboka teo dia maro ny Silamo no nanaraka ny finoana Katôlika. Misy fahotana miisa 3 teny tsy tian'Andriamanitra : ny fitiavam-bola, fanompoan-tsampy, ny fihavonavonana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Hery vaovao ho an'ny Malagasy ny ezaka kely izay vitan'ireo izay tsara  sitrapo, miezaka miaina ny didin'Andriamanitra sy manatanteraka izany, voafehin'ny didim-pitiavana. Zava-dehibe ny fanajana ny ray aman-dreny anefa tsy dia hita taratra izany ankehitriny na mba ampahany amin'ny karama voalohany, santa-bokatra ; ny filibana aza no hataon'ireo tanora. Tsapa fa tsy misy mpihevitra firy ny tamberin'andraikitra andrasana amin'ireo izay nomena andraikitra amin'ny sehatra samihafa ; tsy misy intsony ny fifanajana, indrindra ny fanajana ny aina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Razafimandimby Claude Joseph, nodi-mandry ny alahady 20 septambra 2026, olona niady sy nitolona ho an'ny fandriampahalemana sy ny ady amin'ny kolikoly. Ry kristianina sy mpino hafa manerana ny nosy sy any ivelany, fotoana fifohazana izao ary handinihantena sy hibebahana amin'ny lalan-dratsy, aoka samy hisaina ny didin'Andriamanitra sy ny fitsipika hifampifehezan'ny fiaraha-monina. Manasa ny rehetra mba hanatontosa ny andraikitra manandrify azy fa tsy hifampitsabaka. Tsara ny fifampiresahana manoloana ny olana maro lafy hampandrosoana ny Firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Masindahy Piera claviaire, Olomasina nanana ny fitiavam-bavaka manokana teo amin'ny fiainany ; nitolo-tena ary nanao voady amin'ny maha Zezoita azy, mba ho andevon'ireo andevo rehetra, izy no mpiaro ny "Continent Africain". Jacques Désiré Laval, Olontsambatra, hajaina manokana aty amin'ny Ranomasimbe Indiana, nanampy ny olona tao amin'ny nosy Maurice. Ny fiavaozana sy ny fanavaozana dia mifahatra amin'ireto teny ireto : Fiombonana - Firaisan-kina - Fihavanana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...