Alahady 13 septambra 2026. Alahady faha-24 mandavantaona — A — Izay mamela no havela. Aleloia. Aleloia. Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.Aleloia. Tsy azo atao kajikajy ny famelan-keloka. Tsy fetra ho amin'ny famelan-keloka no fampianarana nomen'i Jesoa, amin'ny hoe "Im-pitopolo fito" fa antso ho amin'ny famelan-keloka mandrakariva. Ny mpanara-dia an'i Kristy dia tsy tokony hanisa hoe "impiry no namela heloka" fa tokony hatsiaro kosa hoe "impiry izy no navelan'Andriamanitra heloka"...

Alahady 06 septambra 2026. Alahady faha-23 mandavantaona — A — Ny Kristianina tsy mifampijery arina an-tava : Aleloia. Aleloia. Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy. Aleloia. Irin'i Kristy isika ho lavorary toa ny Ray any an-danitra, anefa samy manana ny kilemany ny olombelona koa izay no hifanentanana mba tsy hifampisorona manoloana ny fahadisoana ary tokony hatao amim-pitiavana. Toetra tsy mety : ny tsy firaharahiana ny hafa, ny fitsarana be fahatany sy fanapariahana ny mety ho fadisoan'ilay namana. Ny fifampiresahana no tena tsara ary tohizana fitiavana...

Alahady 02 aogositra 2026. Alahady faha-19 mandavantaona — A — Mampatoky ny manatona an'i Jesoa Mpamonjy. Aleloia. Aleloia. Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Aleloia. Rehefa tsy mifanandrify amin'ny handrasantsika Andriamanitra dia manome tsiny azy anefa Andriamanitra miasa mangina ary azo hantenaina na eo aza ireo sedra sy fahasarotana hatrehan'izay mitady azy. Tsy ao anatin'ny tabataba ny handrenesana ny feon'ny Tompo fa ao anaty fahanginana, izay herin'ny fitiavana sy halemem-panahy...

Alahady 02 aogositra 2026. Alahady faha-18 mandavantaona — A — Ray aman-dreny Andriamanitra, fa mpamelona ara-nofo sy ara-panahy. Aleloia. Aleloia. Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. Aleloia. Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo, ny asany rehetra angorahany. Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo, tsara fo amin’ny asany rehetra; ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy, dia ireo izay miantso Azy marina...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...