Tafahaona tampoka tamin'i Manou ilay namany ela tsy hitany i Ilo, ny nahagaga dia niova be izy ary toa niaraka tamina tovolahy vaovao sahady kanefa vao tsy ela akory no maty ny olon-tiany. Teo vao nitantara i Manou fa nifampiresaka ny olon-tiany izay fahiny izay efa nodimandry tany amin'izany antsoina hoe "Hotelin'ny maty" izany izy nitsofan'ity farany rano azy mba hitady olon-tiana vaovao...

Mpirahavavy i Rojo sy i Lisy, ka itsy farany no zandriny. I Lisy dia tovovavy nazoto nandranto fianarana ka tsy nitandro hasasarana ny reniny nitady lalana hampianarana azy. I Lisy dia tovovavy sariaka, tia mifandray aman'olona, tsara tarehy. Nisy olana teo amin'izy roa vavy satria nampirafy an'i Rojo zokiny tamin'i Lisy ny vadiny antsoina hoe Tovo. Nandefitra tamin'ny fahadisoana nataon'i Tovo sy i Lisy i Rojo zokiny. Nahazo vady ihany i Lisy dia i Tojo, anefa mbola miaraka miafina ihany i Tovo sy i Lisy. Misafotofo ny tantara ary mihezaka mamaha ny olana misy i Rojo sy ny reniny. Nihafara tamin'ny fahafatesan'i Rojo ny aretim-po nahazo azy, ary namaly faty ny fanahiny...

Misisika ny hiaraka amin'i  Lauria hatrany i Thierry, very fanantenana ity farany hoe rahoviana no hanaiky ny fitiavany io tovovavy mba iriany io ; ity tovovavy ity moa dia efa kamboty ray sy reny. Nanaiky ny hitia an'i Thierry ihany i Lauria rehefa nandinika volana vitsivitsy. Niverina teto Antananarivo ny olontian'i Thierry taloha ary misisika ny hiaraka aminy indray. Hitan'i Minosoa niaraka i Thierry sy io tovovavy io, notanteriny tamin'i Lauria, tsy nino ny zava-misy ity farany, ary niteraka disadisa teo amin'izy roa resaka io...

Manana aretim-po i Ialy, ary efa notoroin'ny mpitsabo hevitra izy mba hampifaly tena matetika fa tsy hitoetra anaty alahelo ; manampy azy amin'ny olana samihafa ny reniny. Sahiran-kevitra amin'ny fanampiana an'i Ialy ihany koa ny mpiara-miasa aminy dia i Mendrika. Nifanena tamin'i Rivo, indray hariva, i Ialy ;  noho ny andro hariva dia naterin'io tovolahy io hatrany an-trano i Ialy, teo no niantombohan'ny fifankatiavan'izy roa...

[Miara-dàlana] Zoma 26 jolay 2024

♦ Notanterahana tao amin'ny renivohitry ny Diôsezin'i Mahajanga, ny fiofanana ho an'ny katesista avy ao amin'ny Distrika Misiônera Maevatanana, tamin'ity herinandro ity... ♦ Nanentana ny rehetra hiaina ny fitiavana, ny Arsevekan'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny lanonana famaranana ny taom-bolamenan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana, eto Madagasikara... ♦ Tontosa tamin'ny 13 jolay 2024, ny Antenimiera nataon'ny tanora tao amin'ny Diôsezin'i Farafangana, ho fanomanana ny JMJ Diôsezy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...