Ny 14 novambra no andro maneran-tany ho an'ny Diabeta, izay tsy aretina fa toe-batana. Ny fihinana fanafody na tsindrona dia natao mba handaminana ny toe-batana fa tsy fitsaboana. Ny diabeta dia fiakaran'ny tahan'ny siramamy ao anatin'ny ran'ny olona noho ny tsy fahampian'ny "insuline" vokarin'ny sarak'aty na ny sela ao anatin'ny vatan'ilay olona mihitsy no tsy mahavita mampiasa ny siramamy...  Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Fanapoizinana raha natao fanahiniana, fa fahapoizinana raha tranga tsy nahiana. Ambara fa poizina ny hita amin'ny sakafo rehefa miteraka fikorontanana eo amin'ny fahasalamana sy ny vatan'ny olona iray ny singa voatelina. Poizina : akora simika, methanol, zava-maniry misy poizina, fisian'ny otrik'aretina anaty sakafo (E. coli, Listeria, Salmonella et Shigella) ...  Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny "goitre" dia aretina iray miteraka olana amin'ny fitelemana sakafo, manimba ny feo, aretina mihombo tsikelikely. Ny fivontosana amin'ny vatan'ny tiroida, izay manimba ny ampahany anoloana amin'ny tendany. Ny tiroida no mpamokatra ny tsirimpanentana, ilaina miantoka ny fitempon'ny fo, fanodinana ny sakafo sy zavatra maro anatin'ny olombelona, fandanjalanjana ny hafanan'ny vatana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny aretin-tenda dia aretina misy mandavan-taona, aretina azo tsaboina tsara. Ny aretin-tenda : Anzyme, pharyngite, laryngite, amygdale. Ny kambon-tenda "Amygdale" dia taova mpamorona hery fiarovana, noho izany dia misy kambon-tena daholo ny olona fa mety misy lehibe loatra ilay izy. Ny antony mahatonga ny aretin-tenda : otrik'aretina streptocoque. Ny aretin-tenda "laryngite" dia mety hanepotra ny olona marary. ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...