.  

Mpianadahy i Koly sy Tovo, izay samy milona ao anatin'ny rendrarendra. I Koly dia voasariky ny tosiky ny tambazotra sôsialy hanao asa fivarotan-tena amin'ny fomba miavaka. Vazaha lahy iray, atao hoe Esteban-Fernando, avy any LaFrantsa no nifanaiky tamin'i Koly, fa hiaraka mandritra ny 4 volana any Nosy-be, hanao fizahan-tany. Ny fianakaviana misy an'izy mianadahy dia misy olana ara-pifandraisana, indrindra eo amin'ireo ray aman-drenin'izy ireo.  

Noho ny olana ara-pitadiavana dia fivarotan-tena no asa hameloman'ny reniny an'i Lalaina sy Mendrika. Mifamaly sy miady matetika i Mendrika sy Lalaina noho ny toetran'ity farany manahirana. Nisy fifanoherana tao an-tokantranon'izy ireo ary niteraka tsy fahasalamana teo amin'ny renin'izy ireo izany. Tafaresaka i Lalaina sy Mendrika, ary nifandresy lahatra izy ireo ny hifanampy hitsabo ny reniny. Sahirana izy ireo rehefa tonga teny amin'ny hopitaly noho ny tsy fananany vola hitsaboana.  

Zafikelin'i Nenibe Rangory i Mirenty, izay fianakaviana sahirana ara-pivelomanana ; mpatsaka rano sy mpanasa lamban'olona no asa fiveloman'izy ireo. Anatin'ny tsy fahasalamana i Nenibe Rangory ary nanao ny ezaka hitsaboana azy i Mirenty. Feno 18 taona i Mirenty, tamin'io fotoana io indrindra no nanoloran'i Nenibe Rangory ny vatakely nisy ny hafatry ny renin'i Mirenty, sy nitahirizany ny tantarany. Namoy ny ainy i Nenibe Rangory andro vitsy taorian'ny nanolorany ny vatakely an'i Mirenty.  

[Miara-dalana] Alatsinainy 27 marsa 2023

♦ Nanamarika ny 25 marsa ny MDMK-CVX tao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga, ny sabotsy teo. Nandritra izany ihany koa ny nakofana tamin'ny fomba ôfisialy ny faha-100 taoan'ny Antilin'i Madagasikara... ♦ Manohy hatrany ny fitsidihana pastôraly izay tanterahany ao amin'ny Diôsezin'Ambanja i Mgr Donatien Randriamalala, ka ny Paroasin'i Maromandia no nadehanany omaly... ♦ Fomba iray hanehoana ny finoana ny fivahinianana masina, ka tokony hitodika bebe kokoa amin'Andriamanitra isika, hiala amin'ny fitiavan-tena, hikajy ny tontolo iainana, io no fanentanana nataon'i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, nandritra ny pèlerinage notontosaina teny amin'ny Montagne des Français, ho an'ny tao amin'ny Arsidiôsezin'Antisranana...

Tohiny...

Tsara ny Noely, raha...

Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...