13 febroary — Teraka tamin'ny taona 1260 tao Ornacieux (Isère) i Béatrice. Ny taona 1273 izy no niditra tao amin'ny fikambanan-drelijiozy nantsoina hoe "Chartreuse de Parménie". Taty aoriana dia nanorina trano fitokana-monina tao Eymeux izy.
12 febroary — Ny Félix resahana amin'ity andro anio ity dia ilay papa nodimandry tamin'ny taona 530. Tamin'ny mey 526 mantsy no maty tany an-tranomaizina ny papa Jean Voalohany izay voafonja noho ny fanenjehana nataon'ny mpanjaka Théodoric.
11 febroary — Natokan'ny Fiangonana hankalazana an'i Masina Maria niseho tany Lourdes ny 11 febroary. I Masina Maria izay nambara fa nanalefaka ny fijalian'ny olona maro teo amin'io toerana io ary nampihavana fanahy maro tamin'Andriamanitra.
10 febroary — Anabavin'i Masindahy Benoît avy any Nursie i Scholastique, toa hoe kambana mihitsy aza izy mianadahy ireo. Teraka ny taona 480 izy ary efa hatramin'ny fahazazany izy no nanoka-tena ho an'Andriamanitra. Taty aoriana dia niditra tao amin'ny trano ftiokana-monina ho an'ny vehivavy izy.
09 febroary — Raha araka ny fitantaran'i Masindahy Denys, eveka tao Alexandrie, i Apolline dia martiry tamin'ny taona 249, fotana nanjakan'ny Amperora Philippe l'Arabe izay nanenjika fatratra ny kristianina. Tamin'izany fotoana izany, nisy fifanjevona ka nasaina nivoaka ny tranony avokoa ny kristianina rehetra. Novonoina izy ireo rehefa avy nanatrika ny fandrobana ny fananany.
08 febroary — I Jérôme Emilien dia teraka tao Vénétie ny taona 1481 ary nodimandry ny 08 febroary 1537 tao Somasque Lombardie. Nipoitra avy amin'ny fianakaviana avo razana sy nanan-karena i Jérôme Emilien. Tovolahy lian'ady sy ratsy fitondran-tena tokoa teo aloha, miaramila tao amin'ny tafik'i Vénétie mantsy izy tamin'izany.
07 febroary — Zanak'i Masindahy Philippe i Masimbavy Eugénie, virjiny romana maty martiry izy tamin'ny andron'ny Amperora Valérien tamin'ny taona 257. Araka ny tantara dia teo amin'ny faha-16 taonany izy dia efa nahavaky ireo haisoratra grika sy latina ary nalaza tamin'ny hatsara-tarehy tao an-tanana.
I Masimbavy Agathe no tsaroana ny 05 febroary. Zanak'olona mpanan-karena sy avo razana, kristianina tao Catane (Sicile) i Agathe. Niaina tamin'ny fotoana nanjakan'ny Amperora Dèce tamin'ny taonjato fahatelo izy. Mbola kely izy dia efa nivoady ny tsy hanambady.
Ankalazaina ny 04 febroary i Masimbavy Véronique na Bérénice. Raha ny tanataran'i Masimbavy Véronique dia ny Evanjely apôkrifa nosoratan'i Nicodème no ahitana azy izay mifandray indrindra amin'ny Lalan'ny Hazofijalian'i Kristy.
Ankalazaina amin'izao 03 febroary izao ny fahatsiarovana an'i Masindahy Blaise. Niaina tany amin'ny taonjato fahefatra nandritra ny fanjakan'ny Amperora Licinius i Blaise. Mpitsabo izy no voafidy ho eveka tao Sébaste tany Arménie.
Ny nanolorana ny Tompo sy ny nandiovana an'i Masina Maria ary ny fetin'ny Jiro masina no ankalazaina rehefa 02 febroary. Raha ny fanolorana ny Tompo no resahana dia ny Vaovao Mahafaly nosoratan'i Masindahy Lioka no tena mitantara azy (Lk 2, 22-40).
I Masimbavy Ella no ankalazaina rehefa 01 febroary. I Masimbavy Ella dia vadin'i Guillaume Longespée, rahalahin'i Richard Cœur de Lion printsy tao Angleterre. Ella Fitzpatrick no anarany. Naditra tokoa ny vadin'i Ella, indrindra tamin'ny fanitsakitsahana azy amin'ny fiarahana amin'ny vehivavy hafa.
• Niompana tamin'ny fanabeazana sy ny fanandratana Olomasina ny votoatin'ny fihaonan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny iraka natony tany amin'ny Fiketrahana Masina... • Ao anatin'ny fahalemena no tokony handinihana ilay hery mahagaga nananan'i Jesoa Kristy, hoy ny Ray masina tamin'ny fampianarany, nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo... • Hankalazaina ao Roma ny 15 hatramin'ny 18 febroary 2025 ny Jobilin'ny mpanakanto, izay mitondra ny lohahevitra hoe: “Mamelona fanantenana ny zava-kanto”...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco