.../… Nivaly iny ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Lasa ihany ny eritreritra hoe moa azo lazaina fa tafita amin’ny fianarana ve ny afa-panadinana bakalorea? Mbola hanohy sa hijanona hatreo ? Fianarana aiza no aleha ? Baraingo mieloelo an-tsain'ireo tanora afaka bakalorea izany rehetra izany. Dia hanao inona tokoa aorian’ny Bacc? Raha hitady asa moa sarotra satria tsy ampy ny ho amin’izany ny mari-pahaizana. Na koa mahita ihany fa tsy mifanaraka amin’ny fari-pahaizana azo. Dia maro ny tanora no lasa miasa any amin’ny orinasa afakaba. Dia ho aiza na hanao inona tokoa ?...

.../… Niteraka fifandroritan-kevitra samy nanana ny azy teto amintsika ilay didim-panjakàna 2026-2100 nivoaka ny 31 Aogositra 2026 teo momba ny fampiharana ny fandaharam-pibeazana vaovao. Toa ny sosoa notapohan-drano tokoa mantsy ireo tompon’andraikitry ny fampianarana amin’ny sekoly tsy miankina, fa tsy maintsy ampiharina amin’ity taom-pianarana ity izy io. Isan’izany ny fanafoanana ny Sokajy A Une, A 2, ny C sy D ho an’ny fanadinam-panjakàna bakalorea. Foana ihany koa ny sokajy A sy B ho an'ny fanadinana BEPC. Notapahana koa fa hisy amin’izay ny taranja anglisy ho an'ireo kilonga miatrika ny fanadinana CEPE manaraka eo...

.../… Hisokatra indray ny varavaran-tsekoly. Hanomboka amin’ity herinandro ity ny taom-pianarana 2026 – 2027 eto Madagasikara, araka ny tetiandro ofisialy efa navoakan'ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Ao ireo sekoly efa misantatra ny taom-pianarana vaovao anio Alatsinainy 07 septambra, fa ao ihany koa ny rahampitso na ny Alarobia izao. Hizara roa volana dimy izany, ka tsy hiato kely indray izao roa volana voalohany izao, raha tsy ny 30 ôktôbra, arahan'ny fialan-tsasatry ny "Toussaints".

Teraka ihany ambatobevohoka rehefa nihazoazo nandritra ny volana maromaro, ka nahabe resaka teny anivon’ny fiarahamonina sy ireo mpisehatra politika teto amin’ny firenena. Dia hiroso amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena amin’izay izany isika e. Iray volana katroka mialoha ny faha herintaona nitrangan’ny hetsi-bahoaka ka nampirodana ny fitondrana Rajoelina, dia nampahafantatra ireo dingana rehetra hirosoana amin’ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, nandritra ny fotoam-pivavahana nokarakarainy teny Andohatapenaka ny talata 25 Aogositra teo, ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara. 

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...