Nisafidy hiresaka ny momba ny fahasalamana indray ny arofanina anio voalohan’ny volana desambra, andro eran-tany iadiana amin’ny SIDA. Isan’ny mankalaza izany rahateo isika eto Madagasikara isan-taona. Na dia mbola ambany aza ny tahan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina VIH SIDA eto Madagasikara, mila mitandrina isika fa tsy re tsaika, ary misoko mangina toa ny ron-gisa ny fihanaky ny tsimok’aretina. Fanetriben’ny fampandrosoana mantsy ny fielezan’ny tsimok’aretina ao amin’ny firenena iray...

Voambolana malaza nanomboka tamin’ny hetsi-bahoaka notarihan'ny GEN Z teto Madagasikara ny hoe "fanovàna", izay lasa teny isan'ny enti-mamaritra ny asa andrasana amin’ny fitondrana mijoro ankehitriny. Andrenesana izay teny fitakiana fanovana izay na ny lafiny sosialy, na ny toe-karena, fa indrindra ny tontolo politika, izay hitakian’ireo mpitolona ny hampiharana izany hatrany ifotony, miainga eny anivon’ny fokontany, miakatra amin’ny kaominina ary miafara any amin’ny mpitondra mpanatanteraka.

Ny LFI na teti-bola lasitra ho an'ny fampiasàna ny volam-panjakana mandritra ny taona. Havadika ho lalàna eny amin'ireo Antenimiera izy io, rehefa alalinina sy fakafakaina ary ankatoavinin’ireo solombavambahoaka sy Loholona ho lalàna, isaky ny fivoriana ara-potoana faharoa manomboka ny talata fahatelo amin'ny volana oktobra. Mandritra ny taona manaraka no ampiharana azy, mety hisy kosa fanitsiana mandritra ny fivoriana ara-potoana voalohany manomboka ny volana mey amin’ny taona diavina. Dia ireny efa nivoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ireny ny sasantsasany voaraikitra anatin’io volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna io ho an’ny taona 2026.

---Miverimberina matetika ny teny hoe fiandrianam-pirenena rehefa misy ny tolom-bahoaka mitaky fiovana teto amin’ny firenena. Tena misy ve izay fiandrianana marina izay ? Satria toa mbola ny firenena vahiny, indrindra i La Frantsa mpanjanaka antsika fahiny sy ny Vondrona iraisam-pirenena samihafa ihany mantsy no mbola nibaiko ankolaka ny fitantanana ny firenena hatramin’izay ka hatramin’izao. Mbola izy ireo no mifehy ny toe-karena eto Madagasikara. Andrasana indray ny fanapahan-kevitry ny Vondrona iraisam-pirenena taorian’ny fanovan-drafitra nisy teto Madagasikara ny 14 Oktobra teo iny. Ny Vondrona Afrikana moa iny efa nanala an’i Madagasikara tao amin’ity Vondrona ity iny.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...