Ny fanajana ny kolontsaina fototra maha-Malagasy dia miteraka filaminana, azo tarafina amin'ny hasina sy ny lanjan'ny DINA eny amin'ny fiaraha-monina izany, izay mahery lavitra noho ny lalàna. Ny fitiavana dia azo ampifandrifiana amin'ny firaisan-tsaina, sy fifampatokisana sy fanajana ary fifanajana. Ny hitan'ny maso, ny tsapan'ny tanana ary ny ren'ny sofina dia samy mandrafitra ny rafin-tsaina maha olona. Ny hitan'ny maso ankehitriny no fomba tsotra anefa misy fahombiazana amin'ny fanentanana ny Malagasy ho amin'ny fiavaozana sy fanavaozana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
Andriamanitra dia fitiavana, ny fitiavana no fototry ny fiainan'ny olombelona. Tandindonin-doza ny ho avin'ny rehetra noho ny fiovan'ny rafi-piaraha-monina vokatry ny rivotra entin'ny tambazotran-tserasera izay manimba ny fifandraisana sy ny maha-olona (saina, fo, vatana, fanahy). Ny fanajana sy ny fifanajana no fefy hiarovana ny fiaraha-monina, izay miainga amin'ny fitiavana. Ndeha hosanatriavina ny hoe KARAVASI (KARAna - VAzaha - SInoa) no hany hampandroso ny firenentsika fa mba izay soa nomen-janahary an'i Madagasikara. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanomezana hasina sy lanja ny tantara, ny tany ary ny teny dia manampy amin'ny fanavaozana satria mba miainga amin'ny zava-misy ny paik'adim-pampandrosoana. Ny fitiavana sy ny tontolony dia tsy afaka misaraka amin'ny olombelona, isika rahateo noharian'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny fitiavana, ary indrindra nataony mitovy endrika aminy. Ny fitiavana dia fanoloran-tena, noho izany dia finiavana tsara hananan'ny tsirairay ny fifanajana sy ny fanajàna ary ny fifampatokisana. Misy endrika efatra ny fitiavana : Fitiavan'Andriamanitra, mpivady, mpianaka ary mpinamana... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny hoe "66 taona" dia tokony azo adika ho tena fahaleovan-tena, na eo ary ireo tsindry avy amin'ireo vondrona sy firenena samihafa. Ny teny, ny tantara ary ny tany dia singa fototra hampisongadinana ny tena fahaleovantena ary teboka hiaingana amin'ny fanavaozana marina. Ny teny malagasy dia teny velona sy mivoatra, isan'ireo teny mita sisin-tany ka manana ny lanjany any amin'ny firenena sy ny toeran-kafa toa an'i Comores sy Paris. Mila mifanentana isika Malagasy hanatsara ny toe-tsaina, hifanome hasina, hifankatia, misy hatrany ny fanantenana rehefa miray hina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Tontosa ny 4 sy 5 aogositra ny fihaonana voalohany nataon'ny SCEAM ho fanomanana ny "Fihaonam-ben'ny Eglizy 2028"... •Tanterahana ao Befandriana Atsimo ny JMJ 7 ao amin'ny Diosezin'i Morombe... •Fanehoana fanantenana ny vavaka hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco