♦ Tapaka ny lalam-pirenena faha-7, eny Ambatofotsy ny antoandro teo, noho ny fitokonan'ireo mpitatitra eny amin'ny Fasan'ny Karàna. Nobahanan'izy ireo ny fifamoivoizana miditra an'Antananarivo... ♦ Tokony mbola hitohy amin'ny dinika pôlitika iadian-kevitra momba ny fanorenana ilay fakan-kevitra teny Iavoloha hoy ny antoko V.H.T... ♦ Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay mpamily taxi-be zotra 186 nifaoka olona teny amin'ny Tonelina Ambohidahy. Niakatra fitsaràna omaly momba ity raharaha ity izy, omaly... ♦ Miha-lany ireo tahirin'ny fitaovam-piadian'ny Amerikana noho ny ady ataon'i Etazonia any Iran...
♦ .Paik'ady manokana no nahitàna ilay volamena 6 kilao tsy ara-dalàna saika haondrana, tratra tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny alahady. Misy mpiasan'ny fadintseranana tafiditra tamin'ity raharaha ity.. ♦ Tapitra anio ny 7 andro nomena ireo mpitatitra eny amin'ny Fasan'ny karàna hifindràna eny Amoronankona. Mbola niziriziry tsy hiala eny an-toerana izy ireo, ka mbola nanao fitokonana omaly... ♦ Olona maromaro no niharan'ny herisetra, noho ny resaka ady tany tao amin'ny kaominina Ambatomanjaka, distrika Miarinarivo. Nikorontana ny fiaraha-monina vokatry ny didim-pitsaràna nivoaka...
• Paikady sy fiaraha-miasan'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Fadintseranana Malagasy no nahatratrarana ilay vehivavy nitondra volamena tsy ara-dalana, milanja manodidina ny 6 kg, testy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly alahady... • Voaloan'ny orinasa MAMA tao anatin'ny telo volana, ny trosa izay hetra an'ny fanjakana. Voaloa ihany koa ny onitra ho an'ireo mpitatitra sy olon-tsotra niaram-boina miisa 114, izay mitentina miliara maromaro... • Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny hopitaly HJRA Ampefiloha androany, ny hetsika Herinandro ho an'ny fanomezan-dra, ataon'ny Polism-pirenena...
♦ Namoaka fanambarana manoloana ny fanavaozana ny fandaharam-pibeazana, tian'ny fitondrana fanavaozana ampiharina ankehitriny, ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Antoka iray tsy hiverimberenan'ny fivadibadihana palitao sy ny krisy eto amin'ny Firenena Malagasy, ny fanolorana kandidà avy amin'ny antoko politika amin'ny fifidianana ho avy, hoy ny antoko HVM... ♦ Mampanantena indray ny JIRAMA fa hisy fihenany manomboka anio hariva ny faharetan'ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo... ♦ Hiatrika fifidianana filoham-pirenena amin'ny volana janoary 2027 i Nigeria ka miisa 18 ny kandidà amin'izany...
• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco