Manampy ny olona hankalaza ny litorjia sy ny Sakramenta ny fahalalana ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika. Satria mahalala ireo tenim-pinoana ilay olona dia mahafantatra izay ankalazaina ao amin'ny litorjia ka sady tsy hiteniteny foana no tsy hanaotao foana. Mahay mankalaza Sakramenta, ohatra ny hoe ny Mariazy dia sakramenta ifanoloran'ny mpivady... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny maha-olona ", iarahana amin'i Mgr Mamiarisoa Modeste.

Ny Tanjon'ny Katesizin'ny fiangonan katôlika dia manome fampianarana voarindra sy voafintina an'ireo singa manan-danja sy fototra momba ny fampianaram-pinoana katôlika izay mahakasika ny finoana sy ny môraly. Ny tanjona amin'ny Katesizy dia mahafantatra an'i Kristy, izay tsy fahafantarana ara-tsaina fotsiny fa fahafantarana ny misterin'Andriamanitra mihitsy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny maha-olona ", iarahana amin'i Mgr Mamiarisoa Modeste.

Tsy izay miantso hoe "Tompoko! Tompoko!" no hiditra any amin'ny Fanjakàn'ny lanitra fa izay manao sitrapon'ny Ray sy izay miasa amin-kerim-po. Izao ilay sitrapon'ny Ray dia hifankatiavantsika samy isika, ary ny hahitantsika an'i Kristy eo amin'io namana akaikintsika io. Antsoina ho any amin'ny hasambarana sy fiatanana isika... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

Md Joany 13, 35 : izao no hafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo dia raha mifankatia. Ilay fiaraha-monina misy antsika io no hiainantsika ny fitiavana. Fiaraha-monina mirindra sy milamina. Hoy Papa Léon XIV : ny fitiavan'i Kristy dia miseho amin'ny fitiavana ny mahantra, izay hita amin'ny alalan'ny fikarakarana ny marary... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...