Rehefa teraka ny zaza dia tsy tapitra foana akory ny adidy amin'ny fiarovana ny aina fa eo koa ny fampisitrahana ny zo, dia ny zo hiaina, hahazo sakafo, zo hotsaboina, zo hanana fianakaviana, zo mifamatotra amin'ny fanabeazana ary eo hatrany ny fiarovana. Maro ireo tranga maningotra ny aina : herisetra, fanararaotana, fanondranan'olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
Tsy ny hanameloka olona no tanjontsika fa ny hahafantarana tsara ny zava-misy sy ny fampianaran'ny Fiangonana momba ny aina sy ny hasiny. Tsara no hanavahana ny fanalan-jaza tsy niniana (Avortement spontané) sy ny fanalan-jaza niniana (avortement provoqué) satria samihafa ny toe-javatra amin'ireo fa eo koa ny maha samy hafa ny zavatra niniana natao sy ny vokatra tsy nokendrena... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
Andriamanitra no loharanon'ny aina, sady fanomezana no antso no iraka ary fitahiana ny aina. Masina ny aina satria avy amin'Andriamanitra Mpamorona ; manana hasina miavaka ny olombelona satria navotan'i Kristy. Nasandratra ny maha-olona satria nantsoina ho zanak'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
Zavatra iombonantsika rehetra ny aina. Samy velona, samy nandalo tao an-kibon-dreny isika. Dingam-piainnana lalovana ny fahazazana, ny fahatanorana, ny fahamatorana. Maro ny zavatra mandindona ny aina toy ny aretina ary indray andro any dia samy hiatrika ny fahafatesana. Ny aina dia sarobidy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.
• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco