Ny tsy fanjarian-tsakafo dia isan'ny tranga matetika hita amin'ny zokiolona, izany hoe 33% amin'ireo zokiolona. Ny tsy fanjarian-tsakafo dia tsy fahatomombanana amin'ny lafiny hery hoentiny, lanjany mifanahaka amin'ny toe-batana. Hita maso ety ivelan'ny vatana ny vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo : fihenan'ny hadirin'ny vatana, ahiazana. Fisorohana : fifampiresahana amin'ny zokiolona...  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...