Ny sehatra mampifondrona sy mampifandray dia ny Fiangonana, mahay mifandefitra, mahay mifankatia, mahay mifanaja. Ny fetim-pirenena dia toa ny "andro fandroana", fotoana fifamelan-keloka, fotoanan'ny fampihavanana, fotoana famadihana pejy indrindra raha nisy zava-dratsy niainana. Ny tsy fananana fotoana hifampiresahana amin'ny manodidina dia mahatonga fiolonolonana ; etsy ankilany ny "fahaiza-mihaino" dia endriky ny fanehoana fitiavana, fanomezan-kasina sy lanja ny manodidina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.