Rehefa ao anaty tsy fahasalamana dia vao mainka toa mavesatra sy sarotra kokoa noho ny andavanandro ireo olana efa tandra vadin-koditra amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Manoloana izany indrindra anefa no tsy maintsy hanamafisana ny finoana sy ny fanantenana, ary iainana ny faharetana. Ireo finoana, fanantenana sy faharetana ireo no entin’ny Vaomieran’ny Eveka momba ny Fahasalamana, hankaherezana ireo rehetra misehatra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana : dia ny marary, ny mpitsabo, ny mpikarakara ary ny havan’ny marary, mandritra ny fankalazana ny Jobilin'ny Marary...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...