Zavatra iray tsy azo tsinotsinoavina eo amin'ny fianan'olombelona ny fifandraisany, na aman'olona, na amin'ny zava-boahary manodidina azy, na amin'Andriamanitra. Ho an'ny tanora dia manampy azy hivelatra ny fananana namana, mila fitandremana nefa ny fisafidianana ireo namana. Ny tena mpinamana dia mifampitarika amin'ny soa. Ny fitondran'ny namana na ny olona akaiky anao ny VIH/SIDA dia tsy antony tokony hanilikilihina azy velively. Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...