23 aogositra — Tera-tany espagnol i Rose, teraka ny taona 1586 tao Lima. Isabel Flores de Oliva no anarany, meva toy ny raozy izy ka izany no anaram-bositra nomen’ilay mpitaiza azy azy.

Raha vao niditra tao amin’ny fikambanana tetiaire an’ny ordre dominicain izy dia Raozin’i Maria Virjiny no tiany niantsoana azy. Nisy fotoana tra-pasahiranana ara-bola ny fianakaviana, niasa mafy Isabel tamin’ny asa fiompiana sy ny fambolena nampian’ny zavatra hafa koa izany ary tsy matory izy raha tsy efa alim-be. Teo amin’ny faha roapolo taonany izy, nanda ny hiroso amin’ny fanambadiany, ary nangataka ny hanonona ny voady amin’ny maha tertiaire dominikanina azy ka hiaina izany any an-tranony.

Tsy mba nisy trano fitokana-monina manko tany Pérou ka dia nanorina trano kely teo amin’ny zoron’ny tanimboliny izy ary mololo no nataony fandriana tamin’izany. Niaina irery tao i Rose, nanao ny asa fivalozana, niaretany tao ny aretina sy ny sedra maro samihafa mba hanolorany ny tenany ho fianarana an’i Jesoa Kristy mahantra sy nofantsihana tamin’ny hazofijaliana. Ny taona 1664 dia narary irery tao an-tranony i Rose ka mpivady antsoina hoe Majaza no nandray azy ary tao amin’izy ireo izy no maty ny 24 aogositra 1667 teo amin’ny faha iraka amby telopolo taonany. Efa an-taonany maro no niandrasan’i Rose io fotoana io ho toy ny fampakarana azy mandrakizay.

Ny taona 1671 i Rose de Lima no nasandratra ho olomasina ary izy no olomasina voalohany notononina tao Amerika. Anisan’ny nampiavaka azy ny nikatroka sy ny nivavaka ho an’ny Fiangonana tao amin’ireo indianina tao Amerika. Antsoina hivavaka ho an’ny mpamboly voninkazo sy ny mpanao zaridaina i Rose de Lima. Izy ihany koa no mpiaro ny masera dominikanina any Amerika latinina, Pérou ary Philippines.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...