09 desambra — Teraka ny 30 nôvambra 1565 tao Mirecourt i Pierre Fourier. Kristianina ny fianakaviany. Zaza voalohany amin'ny telo mirahalahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Narahan'i Pierre an-tsakany sy an-davany ny fampianarana nomena azy, dia ny fitiavam-bavaka, ny fanekena am-pitiavana, ny halemem-panahy ary ny fandosirana ny lainga.

Teo amin'ny fahadimy ambin'ny folo taonany izy no nentin'ny rainy tany amin'ny université tao Pont-à-Mousson, ary nambaran'ireo mpampianany fa rehefa tsy mianatra i Pierre Fourier dia mivavaka. Niditra ho Chanoines réguliers an'i Masindahy Augustin izy. Nantsoina mba hanavao ny fikambanana izay somary nivahavaha izy. Rehefa avy nandalina ny teôlôjia nandritra ny enin-taona izy, dia niditra tany amin'ny trano fitokana-monina. Toa nanohintohina ireo rahalahiny tao amin'ny fikambanana ny hafanam-pony, ka nahataka izy, ary nihataka ihany koa, ka nanaiky hiasa tao amin'ny paroasy tao Mattaincourt. Ny olona tao koa dia nangatsiatsiaka tamin'ny nandray azy. Noho ny firedaredan'ny fitiavany an'Andriamanitra sy ny namana anefa dia, tamin-kerim-po tokoa no nanaovany ny asa fiantrana, ary tsy nisy fotoana nariany na dia kely aza.

Tsy ny fanahy ihany no novonjen'i Pierre Fourier, fa ny vatana ihany koa. Nampiany ireo kristianina sahiram-pivelomana tao amin'ny paroasiny, nampiany tamin'ny tebiteby, ny fifandirana, ny fiarovana ny tombon-tsoany. Ary mba ahafahana mampaharitra izany dia najorony ny hoe "Bourse Sainte-œuvre". Mandritra ny alina tontolo i Pierre Fourier dia manotrona ny marary, ampindraminy azy ireo ny bodofotsiny, ny drap, ny kidoro, hatramin'ny fandriana aza. Indray andro Paka, nisy miaramila mahantra sendra azy, nomeny sakafo io ka hoy ity lehilahy mahantra ity hoe : "Faly aho, mivavaka amin'Andriamanitra tsara fo aho, mba ho voninahitry ny Fiangonana, enga anie ny pretra mitantana paroasy rehetra, ho toa anao avokoa". Nananan'i Pierre Fourier fitiavana manokana ihany koa ny ankizy, hitany fa tsy ampy ny fampianarana sy ny fanabeazana dia nanangana fikambana iray, Congrégation des Maîtresses izy, izay manokan-tena mba hampianatra. Tovovavy vitsivitsy no namorona azy ity ka nantsoina hoe "Odre des Chanoinesses de Saint-Augustin Notre-Dame".

Nisy fiantraikany tamin'ny fitantanan'i Richelieu ihany koa ny asan'i Pierre Fourier, ka nalefany sesitany tany Franche-Compté izy, ary tany izy no nitoetra, nandritra ny efa-taona farany niainany. Nandritra izany dia voaroba matetika ny tao Mattaincourt. Nitsoa-ponenana tany Gray izy ary nanohy ny asa soa fanaony, namonjy sy nankahery ny olona. Ny ôktôbra 1639, narary izy. Roa volana tao aorian'izay, rehefa akaiky ny fotoana hiantsoan'ny Ray azy hiala sasatra mandrakizay dia naverimberiny ny hoe : "Manana Mpampianatra tsara, sy Mpanjakavavy tsara isika". Ny 09 desambra 1640 i Pierre Fourier no nodimandry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...