Alarobia 15 aprily 2020 — Alarobia amin'ny havaloanandron'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 13-35 — Ity no andro nataon'ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

0 : 00

Tsara ho marihina eto am-piandohana fa tsy maraina akory no niseho ity tantara ity fa folakandro angamba. Ny 1 stady mantsy dia 200 metatra latsaka kely ka raha 60 stady 12 000m, izany hoe 12 Km, izany hoe mety ho 15 km eo ho eo i Jerosalema sy i Emaosy. Ary raha ny isa 2 ao amin’ny Baiboly dia maneho fiaraha-monina. Izany hoe i Jesoa miara-dalana amin’izy roalahy dia maneho Azy eo anivon’ny fiaraha-monina, ny iray amin’izy roalahy fantatra anarana, atao hoe : Kleofasy, fa ny iray tsy fantatra ; tsy iza akory izany fa ny iray amintsika. Koa miaraka amintsika eny ny Tompo, na amin’ny sarotra na amin’ny mora, fa isika no tsy mahafantatra matetika, toa azy roalahy eto. Niresaka ny zava-niseho izy ireo no natonin’i Jesoa. Asa moa isika rehefa tafaraka na inona matetika no tena ifampiresahana na inona : toy ny mpanetsa, ny mpantsaka, ny mpanasa lamba, ny samy tovovavy, ny samy tovolahy, ny resa-dehilahy, ny resa-behivavy, ny mpaka kitay, ny iray birao, ny mpitaingina tamboho, ny iray fikambanana, ny iray fianarana, sns. Fa manontany antsika i Jesoa izao, toy ny nanontaniany an’izy roalahy hoe : “Inona izato resahinareo etỳ an-dalana ?” Ataoko fa samy manana ny azy fa betsaka amin’ireny ny manala azy, mety misy koa ny mifampifosa, ka izay tsy eo resahina foana. Eo koa anefa ny tsara. Paka ny andro ka irariana mba ho ny tsara no ifampiresahana matetika fa ny ratsy avela.

Mazava ny azy roalahy : ny zava-niseho. Niezaka nanazava tamin’i Jesoa izy ireo, araka izay takatry ny sainy fa i Jesoa mihitsy no mirotsaka manampy fanazavana, manazava ny tena marina. Mila maneho amin’Izy Tompo izay takatry ny saintsika isika, na efa fantany aza, fa Izy kosa manampy sy mameno izay tsy feno. Izany ny fankalazana ny Tenin’Andriamanitra atrehantsika amin’ny fankalazana ny Eokaristia na ny Fanompoam-pivavahana rehefa alahady na andavanandro : resaka ifanaovan’Andriamanitra amintsika olombelona sy ny valy avy amintsika. Fa mba mirehidrehitra ve ny fontsika mandritra izany sa matory na variana amin-javatra hafa ? Ny an’ny sasany izany, ny tenin’Andriamanitra mandeha ao am-piangonana nefa variana miresaka na mitakoritsika, na variana amin’ny Facebook, na ny tena be fotsiny no eo fa ny saina any an-kafa mihitsy ! Paka ny andro, mitaky ezaka amintsika izany mba ho tena mpandresy tokoa isika. Misy indray rehefa toriteny dia mandeha mivoaka any alan-trano manoko resaka na milalao na manao zavatra hafa, misy aza moa filan-kevitra mihitsy ny sasany, mampalahelo. Aoka isika ho maimay fo mihaino ny Tenin’Andriamanitra, fa ny toriteny koa mbola isan’ny fankalazana Azy.

Ny tapany faharoa dia mahakasika ny tena Eokaristia. Miala tsiny aho eto raha hilaza fa misy ny tapany amin’ireo ihany no vonjeny any am-piangonana. Tsy feno anefa ny fankalazana, raha izany ; raha tsy hoe ireo any ambanivohitra tsy mahazo pretra ! Ireny aza anefa miombona amin’ny pretrany ihany amin’ny fankalazana ny Eokaristia ataony na tsy mivantana aza. Tsy sanatria toy ny sakafo eny an-tsena ny Eokaristia ka rehefa te hihinana dia mividy na amin’ny firy na amin’ny firy fa misy soritra tsy maintsy arahina amin’izany. Ny valala aza tsy azo raha tsy andriana hilika ; mihoatra lavitra be noho izany ny Eokaristia. Raha tsy noho ny antony tsy azo anoharana dia aoka ho feno ireo roa ireo amin’ny alahady sy andavanandro fa tsy sady tonga tara no hivoaka aloha, aoka tsy ho fahazarana ny toy izany fa aoka hanomboka amin’ny anaran’ny Ray ary mifarana amin’izany koa vao hiala ao.

Farany, vavaka tsara fanaontsika kristianina ny nataon’izy roalahy ireto : "Mitoera re atỳ aminay, fa efa hariva izao, efa mandrorona ny andro". Eo amin’ny fiainantsika mbola rakotra haizin’ny fahotana matetika. Paka ny andro, aoka hazava koa ny fiainantsika, hitoeran’Andriamanitra mandrakariva eo amintsika. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...