Alarobia 20 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6

Dia mbola resaka sabata sy ny Farisianina manohitra an'i Kristy ihany no votoatin'ny Vaovao Mahafaly henontsika, nambaran'i Masindahy Marka teo, ka alahatry ny Fiangonana mba ho dinihintsika sy iainantsika anio. Tena zava-nisy teo amin'ny fiainan'i Kristy no voalaza. Azo antoka fa ny hivavaka sy hitory ny Vaovao Mahafaly amin'ny fampianarany no nidiran'i Kristy tao amin'ny sinagaoga, satria andro voatokana ho an'Andriamanitra ny andro sabata, fitsaharana. Ny mpifanandrina aminy mahazatra, dia nanatrika teo, ka nizaha taratra azy, niandry izay hadisoana hataon'i Kristy, dia ny hanasitranana amin'ny andro sabata. Ho an'i Kristy dia tsy hadisoana velively ny manasitrana ity lehilahy ity, maty tanana an'ila, na dia sabata aza ny andro, satria famonjena aina izany. Fihetsika tsara hatao. Tsy ny lalana ho Azy no laharam-pahamehana fa ny manasitrana ity olona marary, ny mamonjy aina. Ary ny lalana dia natao hanasoavana ny besinimaro, fa tsy hoe lalana ho an'ny lalana. Andriamanitra ihany koa, mamelona fa tsy mamono. Izany akory tsy midika fa mandrava na mandika ny sabata i Kristy, raha nanasitrana, fa te hanamafy sy hamelona ny feon'ny fieritreretana maha olona Izy, eo anatrehan'ny lalana izay misy, eny anivon'ny fiaraha-monina misy antsika tsirairay avy eny. Ho antsika mpamolavola sy mampihatra ny fitsipika mba handrindrana ny fiainan'ny olona, mba henoy ihany izany feon'ny fieritreretana maha olona izany. Mba tsy ho famoretana na famonoana ny madinika ny lalana izay apetratsika, ka sanatria hifanohitra amin'izay sitrak'Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...